Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 25:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Eo ambonin’ny Vatamasina, eo anelanelan’ny kerobima roa, no hisehoako aminao; eo no hanomezako anao ny baiko rehetra momba ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Eo no hihaona aminao Aho ka avy eo ambonin’ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, eo anelanelan’ny kerobima roa izay eo ambonin’ny vata misy ny Vavolombelona; eo no hambarako anao izay rehetra hampanaoviko holazainao amin’ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Eo ambonin’ny Vatamasina, eo anelanelan’ny kerobima roa, no hisehoako aminao; eo no hanomezako anao ny baiko rehetra momba ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Fa eo no hihaonako aminao; ary eo ambonin’ny fanaovam-panavotana, anelanelan’ny kerobima roa, izay ao ambonin’ny fiaran’ny vavolombelona, no hampandrenesako anao ny didy rehetra homeko anao ho an’ny zanak’i Israely.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao ambonin’ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, dia ao anelanelan’ny kerobima roa, izay eo ambonin’ny fiaran’ny Vavolombelona, ka holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin’ny Zanak’Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao ambonin'ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, dia ao anelanelan'ny kerobima roa, izay eo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona, ka holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin'ny Zanak'Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 25:22
24 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa nahavita ny resaka nataony tamin’i Abrahama ny TOMPO, dia lasa; fa i Abrahama kosa niverina any amin’ny fonenany.


Dia niainga i Davida sy izany tafika manontolo nomba azy izany ka niala tao Bahala-Joda mba hampakatra ny Vatamasin’Andriamanitra fa eo amin’io Vatamasina io no iantsoana ny anaran’ilay TOMPOn’izao rehetra izao, dia Ilay mipetraka eo ambonin’ny Kerobima.


ary nivavaka tamin’ny TOMPO nanao hoe: «Ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, Ianao Izay mipetraka eo ambony kerôbima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra eto an-tany, satria Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.


Ary niakatra niaraka tamin’ny Israelita rehetra i Davida ho any Bahalà, na hoe Kiriata-Jeharima, izay any Joda, mba hampakatra ilay Vatamasina fa eo amin’io Vatamasina io no iantsoana ny anaran’ny TOMPO Izay mipetraka eo ambonin’ny kerôbima.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny gitara. Salamo fahatsiarovana nataon’i Asafa.


Ry Mpiandry an’i Israely ô, mba mihainoa anay, Ianao Izay mitarika ny taranak’i Jôsefa toy ny andian’ondry; Ianao Izay mipetraka eo ambony kerobima, mba misehoa.


Vavak’i Mosesy, olon’Andriamanitra. Tompo ô, fialofanay hatrany hatrany Ianao.


Ny TOMPO no mpanjaka, hany ka mangovitra ireo vahoaka. Ambony kerobima ny sezafiandrianany, hany ka mihorohoro ny tany.


Alitara tany no hataonareo ho Ahy, ary eo amboniny no hanoloranareo ho Ahy ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo ho sorona dorana manontolo sy ho sorom-pihavanana. Ary Izaho dia ho tonga hitahy anareo amin’ny toerana rehetra izay anehoako ny fanatrehako.


I Aharôna sy ny taranany no hametraka ny fitoeran-jiro ao amin’ny Tranolay fihaonana, eo anoloan’ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina; ny jiro dia hirehitra manomboka ny hariva ka hatramin’ny maraina eo anatrehako Izaho TOMPO. Fepetra raikitra hotanterahin’ny Israelita isaky ny taranaka mifandimby izany.


Hotorotoroina ho vovoka madinika izany ka hampiasaina ao amin’ny Tranolay fihaonana, manoloana ny Vatamasina izay toerana hihaonako aminao. Hanan-kasina miavaka aminareo izany.


Hapetraka eo anoloan’ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana io alitara io, dia eo anoloan’ny saron’ny Vatamasina izay hihaonako aminao.


Rehefa vitan’Andriamanitra ny resaka nataony tamin’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny an’i Mosesy ny vatofisaka misy ny lalàna izay nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.


Ary indro nomeko ho lefiny i Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka, avy amin’ny fokon’i Dana, sady efa nomeko ny fahakingana lehibe izay an’ireo mpahay taozavatra hafa koa. Izy ireo no hiaraka hanatanteraka izay rehetra nandidiako anao hatao:


Ry TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely ô, Ianao Izay mipetraka eo ambony kerobima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra eto an-tany, satria Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.


Dia reko nisy niteny tamiko avy tao an-tempoly, kanefa ilay lehilahy nitarika ahy dia teo anilako ihany.


Niantso an’i Mosesy ny TOMPO ka niteny taminy avy ao amin’ny Tranolay fihaonana


Ka hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: «Ilazao i Aharôna rahalahinao mba tsy hiditra ao amin’ny Toeramasina Indrindra, ambadiky ny efitra lamba, afa-tsy amin’ny andro sahaza ihany; ary ilazao koa izy tsy hankeo anoloan’ilay Vatamasina izay misy rakotra volamena eo amboniny, sao ho faty izy satria hiseho anaty rahona eo ambonin’io rakotra volamena io Aho.»


Nalain’i Elehazara mpisorona ny fitaovam-panembohana halimo izay an’ireo olona nodorana velona ireo, ka nofisahiny ho takelaka handrakofana ny alitara.


Rehefa niditra tao amin’ny Tranolay fihaonana i Mosesy mba hiresaka amin’ny TOMPO, dia nandre feo niteny taminy avy teo anelanelan’ny kerobima roa izy, dia teo ambonin’ny rakotry ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana; ary niresahan’ny TOMPO i Mosesy.


Tamin’izany andro izany moa mbola tao Betela ny Vatamasina misy ny fanekempihavanan’Andriamanitra; ary i Pinehasa, zanakalahin’i Elehazara sady zafikelin’i Aharôna, no mpitandrina azy. Dia nanontany ny TOMPO ireo Israelita na tokony mbola handeha hiady amin’ny Benjaminita mpiray firenena aminy na tsia; ka novalian’ny TOMPO hoe: –Mandehàna, fa rahampitso dia hatolotro eo an-tananareo izy.


Dia naniraka olona nankany Silao ny vahoaka mba haka ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ilay TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, dia ilay TOMPO mipetraka eo ambony kerobima. Nanaraka io Vatamasina io ny zanak’i Helỳ roa lahy, dia i Hôfnỳ sy i Pinehasa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra