Eksodosy 25:20 - DIEM PROTESTANTA20 Hifanatrika ny kerobima roa sady manatrika ny saron’ny Vatamasina izay alofany amin’ny elany mivelatra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201120 Ary aoka ny elatry ny kerobima hivelatra eo ambony mba hanaloka ny rakotra fanaovam-panavotana; ary hifanatrika ny tavany sady hanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara20 Hifanatrika ny kerobima roa sady manatrika ny saron’ny Vatamasina izay alofany amin’ny elany mivelatra. Jereo ny tokoBaiboly Katolika20 Hatao mivelatra miaraka ny elatry ny kerobima, hanarona ny fanaovam-panavotana amin’ny elany, ary hifanatrika ny tavany, hitodika manatrika ny fanaovam-panavotana, ny tavan’ny kerobima. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy20 Ary aoka hivelatra eo ambony ny elatry ny kerobima, mba hanalofan’ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany hifanatrika, sady hanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy. Jereo ny tokoMalagasy Bible20 Ary aoka hivelatra eo ambony ny elatry ny kerobima, mba hanalofan'ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany hifanatrika, sady hanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy. Jereo ny toko |
Tao amin’io efitrano misy ny Vatamasina io dia namboarana kerobima roa vita tamin’ny hazo ôliva izay samy nirefy dimy metatra ny haavony. Ny voalohany dia nanana elatra roa metatra sy sasany ny halavany, izany hoe dimy metatra no elanelan’ny tendron’elatra anankiroa. Ny faharoa koa dia nirefy dimy metatra, ary nitovy refy sy bika tamin’ilay voalohany ihany.
Nasehon’Andriamanitra tamin’ireo mpaminany fa ny zavatra nomena horaharahainy dia tsy natao ho azy ireo fa natao ho anareo; ary izany zavatra izany dia nampandrenesina anareo ankehitriny, tamin’ny alalan’ireo olona izay nombàn’ny Fanahy Masina nirahina avy tany an-danitra ka nitory ny Vaovao Mahafaly taminareo. Eny, izany zavatra izany aza dia irîn’ireo anjely hodinihina.