Isan-taona koa no hanateranay ao an-tranon’ny TOMPO ireo voaloham-bokatry ny taninay sy ireo voaloham-bokatry ny hazo rehetra fihinam-boa;
Eksodosy 13:12 - DIEM PROTESTANTA dia atolory ho an’ny TOMPO ny voalohan-teraka rehetra; fa an’ny TOMPO ny lahy rehetra voalohan-teraky ny biby fiompinareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia hatokanao ho an’NY TOMPO izay voalohan-teraka rehetra: Ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra anananao dia ho an’NY TOMPO ny lahy rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia atolory ho an’ny TOMPO ny voalohan-teraka rehetra; fa an’ny TOMPO ny lahy rehetra voalohan-teraky ny biby fiompinareo. Baiboly Katolika dia hatokanao ho an’i Iaveh ny lahy matoa rehetra, ary koa ny lahy voalohan-teraky ny biby izay hanananao, fa an’i Iaveh ny lahy. Baiboly Protestanta Malagasy dia hatokanao ho an’i Jehovah izay voalohan-teraka rehetra: ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra izay anananao, dia ho an’i Jehovah ny lahy rehetra; Malagasy Bible dia hatokanao ho an'i Jehovah izay voalohan-teraka rehetra: ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra izay anananao, dia ho an'i Jehovah ny lahy rehetra; La Bible en Malgache dia hatokanao ho an’NY TOMPO izay voalohan-teraka rehetra: Ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra anananao dia ho an’NY TOMPO ny lahy rehetra. |
Isan-taona koa no hanateranay ao an-tranon’ny TOMPO ireo voaloham-bokatry ny taninay sy ireo voaloham-bokatry ny hazo rehetra fihinam-boa;
nekenay hoentina ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay ka harosonay amin’ny mpisorona izay manao ny fanompoana.
–Atokany ho ahy ny lahimatoa rehetra ao amin’ny Israelita, na olona na biby fiompy, fa Ahy ireny.
«Aza avelanareo ho tratra aoriana ny fanateranareo amiko ny santa-bokatrareo sy ny santatry ny divainareo. «Tsy maintsy hatokanareo ho Ahy ny lahimatoanareo.
«Momba ny voalohan-teraky ny ombivavy na voalohan-teraky ny ondry aman’osy, dia avelao ho eo amin’ny reniny ihany mandritra ny fito andro; fa amin’ny andro fahavalo izy dia atero ho sorona ho Ahy.
«Ahy ny voalohan-teraka rehetra, ary anatin’izany ny bibinareo; ka ny voalohan-teraky ny omby na ondry na osy dia tsy maintsy atolotra Ahy.
Kanefa ny lahy voalohan-teraky ny borikivavy dia hosoloinareo zanakondry na zanak’osy lahy, na hovonoinareo ka haolanareo ny tendany. Ary ny zanaka lahimatoanareo kosa dia havotanareo. «Aza mankao amin’ny Toeramasina mitondra tanam-polo.
Nalainao koa ireo zanakao lahy sy vavy izay naterakao ho Ahy ka nataonao sorona taminy. Tsy ampy anao angaha ny fijangajangana?
Horaisin’ny mpisorona ny santatry ny voaloham-bokatra ary izay rehetra navahana ho Ahy tamin’ny harenan’ny Israelita. Homen’ny olona azy koa ny koba lafarinina tsara indrindra mba hitahiako ny ao an-tranony.
«Noho ny voalohan-teraky ny biby fiompy efa voatokana rahateo ho an’ny TOMPO, dia mazava loatra fa tsy azo avahan’ny isam-batan’olona mba hatokana ho an’ny TOMPO izany; koa na omby na ondry na osy, rehefa voalohan-teraka, dia an’ny TOMPO izany.
Farany dia ho anareo avokoa ny voalohan-teraka rehetra izay aterina ho Ahy TOMPO, na olona izany na biby; kanefa dia havotanareo ny voalohan-teraky ny olona sy ny voalohan-teraky ny biby maloto.
–Indro Aho efa nifidy ny Levita tamin’ny Israelita rehetra ho solon’ny lahimatoa rehetra voalohan-teraka aminy; koa dia Ahy ny Levita,
satria Ahy ny voalohan-teraka rehetra. Tamin’ny andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany Ejipta no nanokanako ny voalohan-teraka rehetra tamin’ny Israelita ho Ahy, na olona izay na biby fiompy: Ahy ireo. Izaho no TOMPO.
Eny, Ahy ny voalohan-teraka rehetra eo amin’ny Israelita, na olona izany na biby; tamin’ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany Ejipta no nanokanako ny lahimatoa israelita ho Ahy.
satria voasoratra ao amin’ny lalànan’ny Tompo hoe: «Hatokana ho an’ny Tompo ny lahimatoa rehetra.»
Ny lahy rehetra amin’ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’osinareo dia hatokanareo ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinareo, na manety ny voalohan-teraky ny ondry aman’osinareo.