Eksodosy 34:20 - DIEM PROTESTANTA20 Kanefa ny lahy voalohan-teraky ny borikivavy dia hosoloinareo zanakondry na zanak’osy lahy, na hovonoinareo ka haolanareo ny tendany. Ary ny zanaka lahimatoanareo kosa dia havotanareo. «Aza mankao amin’ny Toeramasina mitondra tanam-polo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201120 fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak’ondry; ary raha tsy hanolo azy ianao dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin’ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho amin’ny tanam-polo, tsy hitondra fanatitra eo anatrehako. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara20 Kanefa ny lahy voalohan-teraky ny borikivavy dia hosoloinareo zanakondry na zanak’osy lahy, na hovonoinareo ka haolanareo ny tendany. Ary ny zanaka lahimatoanareo kosa dia havotanareo. «Aza mankao amin’ny Toeramasina mitondra tanam-polo. Jereo ny tokoBaiboly Katolika20 Zanak’ondry ny hanavotanao ny voalohan-teraky ny ampondra; na hofolahinao ny hatony raha tsy havotanao izy. Havotanao ny lahy matoa rehetra amin’ny zanakao; ary aza miseho eo anatrehako tsy mitondra fanatitra ianao.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy20 fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak’ondry; ary raha tsy hanolo azy hianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin’ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako. Jereo ny tokoMalagasy Bible20 fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak'ondry; ary raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin'ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako. Jereo ny toko |
Niziriziry tsy nety nandefa anay ny Farao, ka naringan’ny TOMPO ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, nanomboka tamin’ny voalohan-teraky ny olona ka hatramin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy. Izany no anoloranay ho sorona amin’ny TOMPO ny lahy voalohan-teraka rehetra eo amin’ny biby; fa ny lahimatoa eo amin’ny zanakay kosa dia havotanay.»
Ny fety voalohany hankalazainareo dia ny fetin’ny mofo tsy misy leviora: mandritra ny fito andro voatondro amin’ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Tamin’io volana io manko no nialanareo tany Ejipta; koa aza miseho eo amin’ny alitarako mitondra tanam-polo.
Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra aminareo no hiseho eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo any amin’ny toerana izay hofidiny, dia amin’ny fankalazana ny mofo tsy misy leviora sy ny fankalazana ny Pentekôsta ary ny fankalazana ny Tranotomboka. Ary aoka tsy ho tanam-polo no hisehoany eo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO;