Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 8:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Eny, Ahy ny voalohan-teraka rehetra eo amin’ny Israelita, na olona izany na biby; tamin’ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany Ejipta no nanokanako ny lahimatoa israelita ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin’ny Zanak’Israely, na olona na biby fiompy; tamin’ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ny tany Ejipta no nanamasinako azy ireo ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Eny, Ahy ny voalohan-teraka rehetra eo amin’ny Israelita, na olona izany na biby; tamin’ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany Ejipta no nanokanako ny lahimatoa israelita ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 dia ny lahy matoan’ny zanak’i Israely rehetra, na amin’ny olona na amin’ny biby; tamin’ilay andro namelezako ny lahy voalohan-teraka rehetra tany amin’ny tany Ejipta, no nanokanako azy ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin’ny Zanak’Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin’ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin’ny Zanak’Israely, na olona na biby fiompy; tamin’ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ny tany Ejipta no nanamasinako azy ireo ho Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 8:17
18 Rohy Ifampitohizana  

Novonoin’Andriamanitra ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra tamin’io tany io, dia ireo santatry ny hery tamin’ny ankohonana ejiptianina.


Namely ny lahimatoan’ny Ejiptianina Izy, hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby.


novonoiny ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, dia ireo santatry ny hery tamin’ny ankohonan’ny terak’i Hama.


Nony tamin’ny misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tao amin’ny tany Ejipta ny TOMPO, nanomboka amin’ny lahimatoan’ny Farao izay nipetraka eo amin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo tao an-tranomaizina mbamin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.


–Atokany ho ahy ny lahimatoa rehetra ao amin’ny Israelita, na olona na biby fiompy, fa Ahy ireny.


Ny tenako mihitsy no hanokana ny Tranolay fihaonana sy ny alitara, tahaka ny hanokanako an’i Aharôna sy ny zanany lahy ho mpisorona ho Ahy.


Nomeko azy koa ny andro sabatako mba ho mariky ny fifandraisany amiko sy mba hiekeny fa Izaho TOMPO no nanokana azy Israelita ho Ahy.


«Noho ny voalohan-teraky ny biby fiompy efa voatokana rahateo ho an’ny TOMPO, dia mazava loatra fa tsy azo avahan’ny isam-batan’olona mba hatokana ho an’ny TOMPO izany; koa na omby na ondry na osy, rehefa voalohan-teraka, dia an’ny TOMPO izany.


satria Ahy ny voalohan-teraka rehetra. Tamin’ny andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany Ejipta no nanokanako ny voalohan-teraka rehetra tamin’ny Israelita ho Ahy, na olona izay na biby fiompy: Ahy ireo. Izaho no TOMPO.


Fa ny Levita kosa no nalaiko ho solon’ny lahimatoa rehetra amin’ny Israelita.


satria voasoratra ao amin’ny lalànan’ny Tompo hoe: «Hatokana ho an’ny Tompo ny lahimatoa rehetra.»


Izaho kosa natokan’ny Ray sy nirahiny ho eo amin’izao tontolo izao; kanefa dia ataonareo hoe manevateva an’Andriamanitra Aho satria nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra Aho!


Ho azy ireo no anokanako tena aminao, mba ho voatokana ho Anao araka ny hafatra marim-pototra koa ireo.


Hanao ahoana kosa àry izay manao tsinontsinona ilay Zanak’Andriamanitra sy mihevitra fa ny ra iorenan’ny Fanekempihavanana sady nanadiovana azy dia tsy misy hasiny ary maniratsira ny Fanahy Masina nandraisany fahasoavana? Hanao ahoana ny hamafin’ny fampijaliana heverinareo fa tokony hihatra aminy?


Finoana no nanorenan’i Mosesy ny fankalazana ny Paska sy nanomezany baiko hanentenana ra ny varavarana, fandrao mikasika ireo lahimatoa israelita ilay anjely mpandringana ka mamono azy.


Sitrapon’Andriamanitra Ray no niterahany antsika tamin’ny teny fahamarinana, mba ho santa-bokatra atolotra Azy eo amin’ny samy zavaboaariny isika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra