Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 18:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Farany dia ho anareo avokoa ny voalohan-teraka rehetra izay aterina ho Ahy TOMPO, na olona izany na biby; kanefa dia havotanareo ny voalohan-teraky ny olona sy ny voalohan-teraky ny biby maloto.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Ny voalohan-teraka rehetra, izay atolony ho an’NY TOMPO, na olona izany na biby, dia ho anao avokoa. Kanefa tsy maintsy havotanao ny voalohan-teraky ny olona, ary havotanao ny voalohan-teraky ny biby maloto.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Farany dia ho anareo avokoa ny voalohan-teraka rehetra izay aterina ho Ahy TOMPO, na olona izany na biby; kanefa dia havotanareo ny voalohan-teraky ny olona sy ny voalohan-teraky ny biby maloto.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Ny voalohan-teraky ny nofo rehetra ateriny ho an’i Iaveh, na olona na biby, dia ho anao avokoa. Kanefa asaovy avotana ny voalohan-teraky ny olona, sy ny voalohan-teraky ny biby maloto.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ny voalohan-teraka rehetra, izay ateriny ho an’i Jehovah, na olona, na biby, dia ho anao avokoa; kanefa tsy maintsy havotanao ny voalohan-teraky ny biby maloto dia havotanao koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ny voalohan-teraka rehetra, izay ateriny ho an'i Jehovah, na olona, na biby, dia ho anao avokoa; kanefa tsy maintsy havotanao ny voalohan-teraky ny biby maloto dia havotanao koa.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 18:15
12 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro dia hoy i Jôasy tamin’ireo mpisorona: –Angoninareo izay vola rehetra entina ato an-tranon’ny TOMPO, dia ny vola nandoavan’ny olona ny hetrany na ny vola natolotra an-tsitrapo. Asaivo hangonin’ireo mpandray vola voatendry izany ka hampiasainareo hanamboarana izay hitanareo fa simba amin’ny tempoly.


nekenay hoentina ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay ka harosonay amin’ny mpisorona izay manao ny fanompoana.


Niziriziry tsy nety nandefa anay ny Farao, ka naringan’ny TOMPO ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, nanomboka tamin’ny voalohan-teraky ny olona ka hatramin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy. Izany no anoloranay ho sorona amin’ny TOMPO ny lahy voalohan-teraka rehetra eo amin’ny biby; fa ny lahimatoa eo amin’ny zanakay kosa dia havotanay.»


–Atokany ho ahy ny lahimatoa rehetra ao amin’ny Israelita, na olona na biby fiompy, fa Ahy ireny.


«Momba ny voalohan-teraky ny ombivavy na voalohan-teraky ny ondry aman’osy, dia avelao ho eo amin’ny reniny ihany mandritra ny fito andro; fa amin’ny andro fahavalo izy dia atero ho sorona ho Ahy.


Kanefa ny lahy voalohan-teraky ny borikivavy dia hosoloinareo zanakondry na zanak’osy lahy, na hovonoinareo ka haolanareo ny tendany. Ary ny zanaka lahimatoanareo kosa dia havotanareo. «Aza mankao amin’ny Toeramasina mitondra tanam-polo.


Ny fanavotana ny zaza, izay azo aloa rehefa feno iray volana izy, dia vola sekela dimy araka ny sekela masina izay milanja folo grama.


satria Ahy ny voalohan-teraka rehetra. Tamin’ny andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany Ejipta no nanokanako ny voalohan-teraka rehetra tamin’ny Israelita ho Ahy, na olona izay na biby fiompy: Ahy ireo. Izaho no TOMPO.


Ho fanavotana ny lahimatoa miisa 273 eo amin’ny Israelita, izany hoe ireo lahimatoa izay nihoatra tamin’ny isan’ny Levita,


Ny lahy rehetra amin’ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’osinareo dia hatokanareo ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinareo, na manety ny voalohan-teraky ny ondry aman’osinareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra