«Hotsarovana hatrany hatrany io andro io, ka hotandremanareo amin’ny alalan’ny fety manetriketrika ho fankalazana Ahy TOMPO: ho lalàna raikitra ho anareo izany.
Eksodosy 12:17 - DIEM PROTESTANTA «Hotandremanareo ny fetin’ny mofo tsy misy leviora ho fahatsiarovana fa tamin’io andro io mihitsy Aho no namoaka ny vahoakanareo hiala avy tany Ejipta. Hotandremanareo hatrany hatrany izany andro izany, ho lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hitandrina ny andron’ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa tamin’izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; koa hotandremanareo izany hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, ho lalàna maharitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Hotandremanareo ny fetin’ny mofo tsy misy leviora ho fahatsiarovana fa tamin’io andro io mihitsy Aho no namoaka ny vahoakanareo hiala avy tany Ejipta. Hotandremanareo hatrany hatrany izany andro izany, ho lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo. Baiboly Katolika Hotandremanareo ny azima, fa izany no andro namoahako ny ankohonanareo, tamin’ny tany Ejipta. Ka hotandremanareo hatrany amin’ny taranaka mifandimby izany andro izany, ho zavatra nalahatra haharitra mandrakizay. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hitandrina ny andron’ ny mofo tsy misy masirasira hianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta; dia hotandremanareo izany hatramin’ny taranakareo fara mandimby ho lalàna mandrakizay. Malagasy Bible Ary hitandrina ny andron'ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; dia hotandremanareo izany hatramin'ny taranakareo fara mandimby ho lalàna mandrakizay. La Bible en Malgache Ary hitandrina ny andron’ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa tamin’izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; koa hotandremanareo izany hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, ho lalàna maharitra. |
«Hotsarovana hatrany hatrany io andro io, ka hotandremanareo amin’ny alalan’ny fety manetriketrika ho fankalazana Ahy TOMPO: ho lalàna raikitra ho anareo izany.
Tandremo io zavatra io mba ho lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo hatrany hatrany.
Nony nifarana ny 430 taona, dia tamin’io andro io indrindra no nivoaka am-pilaminana avy tao Ejipta ny vahoakan’ny TOMPO.
Hotehiriziko hatramin’ny andro faha-14 amin’ity volana ity izany, ka ny harivan’io andro io dia samy hamono azy ny fiangonana israelita manontolo.
Dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: –Tsarovy ity andro anio ity: Fa tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anareo hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anareo. Koa rehefa mankalaza izany ianareo, dia aoka tsy hihinana mofo misy leviora.
Mandritra io fety io no hitantaranareo amin’ny zanakareo hoe: «Izao no ataonay dia noho izay nataon’ny TOMPO taminay fony izahay niala tany Ejipta.»
«Ankalazao ny fetin’ny mofo tsy misy leviora; mandritra ny fito andro voatondro amin’ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Fa volana Abiba toy izany no nialanareo tany Ejipta.
Fa i Aharôna sy i Mosesy kosa nobaikoin’ny TOMPO hoe: «Ataovy izay hamoahanareo ny Israelita avy any Ejipta amim-pilaminana tsara.»
Ho fantatry ny Ejiptianina amin’izay fa Izaho no TOMPO, rehefa haninji-tanana hamely azy Aho ka hamoaka ny Israelita hiala eo anivony.
Nitaraina tamin’ny TOMPO izahay, dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka anjely hamoaka anay avy tany Ejipta. Ary indreto izahay ankehitriny eto Kadesy, tanàna ao amin’ny faritry ny taninao.
Aza mofo misy leviora no haninareo amin’ny sakafo Paska; fa mandritra ny fito andro, dia mofo tsy misy leviora no hohaninareo mba hahatsiahivanareo fa an-kamehana no nialanareo tany Ejipta; eny, mofo tsizarizary no hohaninareo mba hahatsiarovanareo ilay andro nialanareo tany Ejipta, mandritra ny andro rehetra iainanareo.