Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:41 - DIEM PROTESTANTA

41 Nony nifarana ny 430 taona, dia tamin’io andro io indrindra no nivoaka am-pilaminana avy tao Ejipta ny vahoakan’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

41 Rehefa tapitra ny telopolo sy efajato taona dia tamin’izany andro izany indrindra no nivoahan’ireo antoko rehetra izay an’NY TOMPO avy tany amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

41 Nony nifarana ny 430 taona, dia tamin’io andro io indrindra no nivoaka am-pilaminana avy tao Ejipta ny vahoakan’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

41 ary rehefa afaka ny telopolo sy efajato taona, iny andro iny indrindra, dia nivoaka niala tamin’ny tany Ejipta ny tafik’i Iaveh rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

41 Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin’izany andro izany indrindra no nivoahan’ny antokony rehetra izay an’i Jehovah tamin’ny tany Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

41 Ary rehefa tapitra ny telo-polo amby efa-jato taona, dia tamin'izany andro izany indrindra no nivoahan'ny antokony rehetra izay an'i Jehovah tamin'ny tany Egypta.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

41 Rehefa tapitra ny telopolo sy efajato taona dia tamin’izany andro izany indrindra no nivoahan’ireo antoko rehetra izay an’NY TOMPO avy tany amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:41
29 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro dia hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny: –Ho faty aho, nefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hampiala anareo amin’ity tany ity ho any amin’ny tany izay efa nianianany homena an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.


Tamin’ny taona faha-480 taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta, izany hoe ny taona fahefatra nanjakàn’i Salômôna tamin’i Israely, fony volana Ziva na volana faharoa no nanombohany nanorina ny tranon’ny TOMPO.


ary nenjehin’i Asà sy ny tafiny hatrany Gerara. Ary nahafatesana be tokoa ny Etiôpianina sady tsy nisy afa-nitsoaka akory aza, satria montsana teo anoloan’ny TOMPO sy ny tafika nombany. Babo betsaka no azon’ny Jodeanina tamin’izay.


Ianao kosa, TOMPO ô, manjaka mandrakizay ary maharitra hatrany hatrany ny lazanao.


Haleloià! Fony niala tany Ejipta ireo Israelita, taranak’i Jakôba, ka nandao an’ilay firenena lozabe sady hafa fiteny,


sy namoaka ny Israelita hiala tao Ejipta –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!


«Hotandremanareo ny fetin’ny mofo tsy misy leviora ho fahatsiarovana fa tamin’io andro io mihitsy Aho no namoaka ny vahoakanareo hiala avy tany Ejipta. Hotandremanareo hatrany hatrany izany andro izany, ho lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo.


Ka tamin’io andro io indrindra no navoakan’ny TOMPO tamim-pilaminana avy tany Ejipta ny Israelita.


Koa rehefa manontany anareo ny zanakareo any aoriana hoe: «Inona no anton’izao?», dia hovalianareo hoe: «Tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anay hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anay.


Ireo sorona ireo dia ho solon’ny marika eo amin’ny sandrinareo sy ny handrinareo, ka hampahatsiaro anareo fa ny TOMPO no namoaka anareo hiala tany Ejipta tamim-pahefana mahery.


Dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: –Tsarovy ity andro anio ity: Fa tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anareo hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anareo. Koa rehefa mankalaza izany ianareo, dia aoka tsy hihinana mofo misy leviora.


Io fankalazana io dia ho solon’ny marika eo amin’ny sandrinareo sy ny handrinareo, ka hampahatsiaro fa tokony hambaranareo ny lalànan’ny TOMPO satria IZY no namoaka anareo hiala tany Ejipta tamim-pahefana mahery.


Koa izao ankehitriny izao dia irahiko ho any amin’ny Farao ianao. Mandehana, avoahy hiala avy any Ejipta ny Israelita vahoakako.


Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin’ny fahefàn’ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin’ny tany Ejipta mba ho any amin’ny tany tsara sy midadasika, any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.


Fa i Aharôna sy i Mosesy kosa nobaikoin’ny TOMPO hoe: «Ataovy izay hamoahanareo ny Israelita avy any Ejipta amim-pilaminana tsara.»


Noho izany, dia lazao amin’ny Israelita hoe: «Izaho no TOMPO! Havoakako hiala amin’ny asa an-terivozona ampanaovin’ny Ejiptianina ianareo sy hoafahako amin’ny fanompoana azy; ka amin’ny heriko tsy hay tohaina sy amin’ny famaizana lehibe no hanavotako anareo.


dia tsy hihaino anareo izy. Koa hataoko tsapan’ny Ejiptianina ny heriko, ka famaizana lehibe no hamoahako am-pilaminana tsara ny Israelita vahoakako hiala amin’ny tany Ejipta.


Fito taona impitopolo no voatendry ho an’ny firenenao ary ho an’ilay tanànanao masina; ilaina izany mba hampijanona ny heloka bevava sy hampitsaharana ny ota, mba hamelàna ny fahadisoana sy hisehoan’ny fahamarinana mandrakizay ary mba hahatanterahan’ny fahitana amam-paminaniana sy hanokanana indray ny Toeramasina indrindra.


mba hahafantaran’ny taranakareo fa tranotomboka no nampilasiako ny razany, fony Aho namoaka azy hiala tany Ejipta. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.»


Fa tsy mbola tonga ny fotoana hahatanteraka io fahitana io; kanefa ho avy tsy ho ela ny farany ary tsy hamitaka velively. Andraso amim-pahatokiana na toa mitaredretra aza, fa ho avy tokoa ary tsy hahemotra izany.


Nentin’Andriamanitra niala tany Ejipta izany vahoaka izany ka manan-kery tsy hay tohaina tahaka ny an’ny omby dia.


Ireto avy ny lalana nalehan’ny Israelita rehefa niala tany Ejipta teo ambany fitarihan’i Mosesy sy i Aharôna izy.


Miakara any amin’ny fankalazana ianareo, fa Izaho tsy mbola miakatra any amin’izany fankalazana izany, satria tsy mbola feno ny fotoanandroko.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Tsy anjaranareo ny mahalala ny fotoana na ny vaninandro voatendrin’ny Ray araka ny fahefàny manokana.


I Mosesy no nahavita zava-mahagaga amam-pamantarana tany Ejipta sy tany amin’ny Ranomasina Mena ary tany an-taniefitra nandritra ny efapolo taona, ka nahatafavoaka ny Israelita.


Tandremo fa amin’ny volana Abîba no hankalazanareo ny Paska ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo. Volana Abîba manko no nitondran’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo niala tany Ejipta tamin’ny alina.


Noho ny TOMPO tia ireo razambenareo sady nifidy anareo taranaka amam-parany, dia Izy mihitsy no nitondra anareo hiala tany Ejipta ka nomba anareo tamin-kery lehibe;


Tatỳ aoriana, dia naniraka an’i Mosesy sy i Aharôna Aho ka namely an’i Ejipta araka izay efa nataoko teo aminy; rehefa izany vao nasaiko navoaka ny razanareo.


Dia novaliany hoe: –Tsia, fa lehiben’ny tafiky ny TOMPO aho ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin’ny tany i Josoa ka niteny taminy hoe: –Mpanomponao aho, tompoko; ka inona no baikonao amiko?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra