Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:42 - DIEM PROTESTANTA

42 Niari-tory ny TOMPO tamin’io alina io mba hamoahany ny vahoakany hiala tao Ejipta; koa tsy maintsy hiari-tory hatrany hatrany koa ny Israelita rehetra amin’io alina io, fa natokana ho an’ny TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

42 Alina natao hotandremana ho an’NY TOMPO izany satria nitondrany azy ireo hivoaka avy tamin’ny tany Ejipta; eny, izany alina izany dia an’NY TOMPO ka hotandreman’ny Zanak’Israely rehetra hatramin’ny taranany fara aman-dimby.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

42 Niari-tory ny TOMPO tamin’io alina io mba hamoahany ny vahoakany hiala tao Ejipta; koa tsy maintsy hiari-tory hatrany hatrany koa ny Israelita rehetra amin’io alina io, fa natokana ho an’ny TOMPO izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

42 Alina niaretan-tory ho an’i Iaveh ilay alina namoahany azy avy tany Ejipta, ka izany alina izany dia ho alina fiaretan-tory hankalazana an’i Iaveh, ho an’ny zanak’i Israely rehetra isan-taranany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

42 Alina notandreman’i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin’ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an’i Jehovah ka hotandreman’ny Zanak’Isiraely rehetra hatramin’ny taranany fara mandimby.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

42 Alina notandreman'i Jehovah izany, hitondrany azy hivoaka avy tamin'ny tany Egypta; eny, izany alina izany dia an'i Jehovah ka hotandreman'ny Zanak'Isiraely rehetra hatramin'ny taranany fara mandimby.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

42 Alina natao hotandremana ho an’NY TOMPO izany satria nitondrany azy ireo hivoaka avy tamin’ny tany Ejipta; eny, izany alina izany dia an’NY TOMPO ka hotandreman’ny Zanak’Israely rehetra hatramin’ny taranany fara aman-dimby.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:42
6 Rohy Ifampitohizana  

sy namoaka ny Israelita hiala tao Ejipta –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!


«Hotsarovana hatrany hatrany io andro io, ka hotandremanareo amin’ny alalan’ny fety manetriketrika ho fankalazana Ahy TOMPO: ho lalàna raikitra ho anareo izany.


Isan-taona isan-taona, amin’ny fotoana voatondro, no hitandremanareo io fepetra io.


Dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: –Tsarovy ity andro anio ity: Fa tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anareo hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anareo. Koa rehefa mankalaza izany ianareo, dia aoka tsy hihinana mofo misy leviora.


«Ankalazao ny fetin’ny mofo tsy misy leviora; mandritra ny fito andro voatondro amin’ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Fa volana Abiba toy izany no nialanareo tany Ejipta.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra