Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:43 - DIEM PROTESTANTA

43 Ary hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy sy i Aharôna: –Izao no fepetra momba ny fetin’ny Paska: «Tsy misy vahiny mahazo mihinana amin’ny sakafo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

43 Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy sy i Arona: Izao no fitsipiky ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hahazo hihinana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

43 Ary hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy sy i Aharôna: –Izao no fepetra momba ny fetin’ny Paska: «Tsy misy vahiny mahazo mihinana amin’ny sakafo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

43 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy sy i Aarôna: «Izao no didy momba ny Paka: Ny olon-kafa firenena tsy hisy hihinana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

43 Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn’ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

43 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn'ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

43 Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy sy i Arona: Izao no fitsipiky ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hahazo hihinana azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:43
9 Rohy Ifampitohizana  

Ny ankamaroan’ny olona, indrindra fa ireo anisan’ny foko efraimita sy manasita ary jisakarita sy zebolonita, no tsy nidio tena, kanefa nihinana ny sakafo Paska ihany, na dia tsy araka izay voasoratra aza. Saingy nivavaka ho an’ireny i Hezekià ka nanao hoe: «TOMPO tsara fo ô, mba mamelà


Ary toy izao no hataonareo rehefa mihinana azy: asio sikina ny akanjonareo, anaovy ny kapanareo ary ataovy an-tanana ny tehinareo, dia hano faingana izany fa Paska ho an’ny TOMPO.


«Fa raha misy kosa vahiny valovotaka ao aminareo ka te hankalaza ny Paska ho an’ny TOMPO, dia tsy maintsy hoforana ny lehilahy rehetra ao aminy; avy eo dia mahazo mandray anjara amin’ny fankalazana ny Paska tahaka ny Israelita izy. Tsy misy mihitsy olona tsy voafora mahazo mihinana ny sakafo.


Amin’ny fotoana izay nanoloranareo ny anjara sakafoko, izany hoe ny sabora sy ny ra avy tamin’ny soronareo, dia nampidiranareo vahiny tsy miraiki-po amiko sady tsy voafora tao amin’ny Toeramasina onenako. Nanimbazimba ny tempoliko ireo; ary nivadihanareo kosa ny fanekempihavanako tamin’ny zavatra maharikoriko nataonareo.


«Aza avela hihinana zava-masina ny Israelita tsy anisan’ny fianakavia-mpisorona; na izay sendra mivahiny ao amin’ny mpisorona, na izay mpikarama, dia samy tsy mahazo mihinana zava-masina.


Fa raha maty vady na nariam-bady na tsy nanan-janaka ilay zanakavavin’ny mpisorona ka mody ao an-tranon-dray toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana izay fihinan-drainy. Ankoatra ireo, ny Israelita tsy anisan’ny fianakavia-mpisorona dia aoka tsy hisy hihinana zava-masina.


Ary raha misy vahiny eo aminareo ka te hankalaza ny Paska ho fanajana AHY, dia hanaraka ny fomba fanao amin’ny Paska izy. Mitovy ihany ny lalàna na amin’ny vahiny izany na amin’ny Israelita.»


lavitra an’i Kristy ianareo tamin’izany andro izany; tsy mba navela ho anisan’ilay firenena Israely voafidin’Andriamanitra; tsy mba tao anatin’ireo fanekempihavanana izay niorina tamin’ny fampanantenàn’Andriamanitra; velona teto amin’izao tontolo izao ianareo, kanefa sady tsy nanan-kantenaina no tsy nanana an’Andriamanitra.


Ary tonga tao amin’i Helỳ ny mpaminany iray ka nanao taminy hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Raha mbola nandevozin’ny Farao tany Ejipta ny razanao, dia fantatrao tsara ny efa nisehoako taminy:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra