Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Amin’ny andro voalohany sy ny andro fahafito dia manaova fivoriana masina ho anareo, ka aza manao raharaha mihitsy ianareo amin’izany afa tsy ny mamboatra izay hohanin’ny tsirairay ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo, ary amin’ny andro fahafito koa dia hisy fivoriana masina. Tsy hanao raharaha akory ianareo amin’ireo andro ireo, afa-tsy izay hohanin’ny olona tsirairay, dia izany ihany no hamboarinareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Amin’ny andro voalohany sy ny andro fahafito dia manaova fivoriana masina ho anareo, ka aza manao raharaha mihitsy ianareo amin’izany afa tsy ny mamboatra izay hohanin’ny tsirairay ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Hanao fivoriana masina ianareo amin’ny andro voalohany, ary hanao fivoriana masina amin’ny andro fahafito. Tsy hiasa amin’ireo andro ireo, fa ny mamboa-tsakafo ho anareo tsirairay avy no azonareo atao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo ary amin’ny andro fahafito koa hisy fivoriana masina; tsy hanao raharaha akory hianareo amin’izany andro izany, afa-tsy izay hohanin’ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary amin'ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo ary amin'ny andro fahafito koa hisy fivoriana masina; tsy hanao raharaha akory ianareo amin'izany andro izany, afa-tsy izay hohanin'ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo, ary amin’ny andro fahafito koa dia hisy fivoriana masina. Tsy hanao raharaha akory ianareo amin’ireo andro ireo, afa-tsy izay hohanin’ny olona tsirairay, dia izany ihany no hamboarinareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:16
21 Rohy Ifampitohizana  

ka hoy i Mosesy hoe: –Izany indrindra no nandidian’ny TOMPO anareo. Rahampitso dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho an’ny TOMPO; koa andrahoy izay tokony handrahoina, ary ampangotrahy izay tokony hampangotrahina, fa ny ambiny kosa dia tehirizo ho tra-maraina.


Fantaro tsara fa ny nanomezako anareo ny sabata dia ny mba hitsaharanareo. Izany no antony anomezako mofo sahaza ny indroa andro amin’ny andro fahenina; ka amin’ny andro fahafito dia samia mitoetra ao an-tranony avy, fa aoka tsy hisy olona hiala tao.


Fa amin’ny andro fahenina rehefa hanomana izay hoentinareo ianareo, dia hahita indroa heny noho izay fanangonareo isan’andro.


Fa ny andro fahafito dia sabata voatokana ho Ahy TOMPO Andriamanitrao; koa aza manao raharaha mihitsy amin’io andro io, na ianao na ny zanakao na ny mpanomponao na ny biby fiompinao na ny vahiny izay ao an-tanànanao.


«Ankalazao ny fetin’ny mofo tsy misy leviora; mandritra ny fito andro voatondro amin’ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Fa volana Abiba toy izany no nialanareo tany Ejipta.


Atsaharo ny mitondra fanatitra fa tsy ilaina akory; maharikoriko Ahy ny eton’ny soronareo; atsaharo ny fankalazana ny tsinam-bolana sy ny sabata ary ny fetim-piangonana. Tsy zakako ny fanompoam-pivavahana mifangaro heloka.


Amin’io andro io, dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo: ho fepetra raikitra hatrany hatrany izany ho anareo, na aiza na aiza honenanareo.


«Ny andro fahafolon’ny volana fahafito kosa dia andro fankalazana ny Famelàn-keloka; hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo amin’izany, ary hifady hanina ianareo sady hanatitra sorona levonina amin’ny afo ho Ahy TOMPO.


Ny andro voalohany, dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo.


Amin’ny andro voalohany, dia hisy fivoriana masina, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo.


Amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo.


«Amin’ny andro Pentekôsta, rehefa mitondra ny fanatitra voamaina vaovao ho an’ny TOMPO ianareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo.


«Amin’ny andro voalohan’ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanaonareo andavanandro ianareo fa andro fitsofana trompetra izany.


«Ny andro faha-15 amin’ny volana fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao ny asa fanao andavanandro ianareo. Hanao fetim-piravoravoana ho voninahitry ny TOMPO mandritra ny herinandro ianareo.


Ary satria fiomanana tamin’izay, dia nangatahin’ny manampahefana jiosy tamin’i Pilato ny hanapahana ny ranjon’ireo voahombo sy hanesorana ny fatiny mba tsy hisy tavela eo amin’ny hazofijaliana ny andro sabata, satria andro lehibe izany sabata izany.


Mandritra ny enina andro no hihinananareo mofo tsy misy leviora; fa amin’ny andro fahafito, dia hisy fivoriana famaranana manetriketrika ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy hanao raharaha ianareo amin’izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra