Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:15 - DIEM PROTESTANTA

15 «Mandritra ny fito andro no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora. Raha vao amin’ny andro voalohany dia efa esory tsy ho ao an-tranonareo ny leviora. Fa na iza na iza mihinana mofo misy leviora, manomboka amin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahatelo, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. Amin’ny andro voalohany no hanesoranareo ny masirasira amin’ny tranonareo; fa na iza na iza no hihinana mofo misy masirasira manomboka amin’ny andro voalohany ka hatramin’ny fahafito dia hofongorana tsy ho eo amin’ny Israely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 «Mandritra ny fito andro no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora. Raha vao amin’ny andro voalohany dia efa esory tsy ho ao an-tranonareo ny leviora. Fa na iza na iza mihinana mofo misy leviora, manomboka amin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahatelo, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 «Hafitoana ianareo hihinana mofo tsy misy lalivay; ka vao amin’ny andro voalohany, dia foany lalivay ny tranonareo; fa na zovy na zovy hihinana mofo misy lalivay, hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro fahafito, dia hofongorana tsy ho eo amin’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin’ny voalohan’andro no hanesoranareo ny masirasira amin’ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin’ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira: amin'ny voalohan'andro no hanesoranareo ny masirasira amin'ny tranonareo; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin'ny andro voalohany ka hatramin'ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin'ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira. Amin’ny andro voalohany no hanesoranareo ny masirasira amin’ny tranonareo; fa na iza na iza no hihinana mofo misy masirasira manomboka amin’ny andro voalohany ka hatramin’ny fahafito dia hofongorana tsy ho eo amin’ny Israely izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:15
28 Rohy Ifampitohizana  

Fa izay lehilahy tsy voafora eo amin’ny nofony dia hoesorina tsy ho eo amin’ny fireneny, satria tsy nanaja ny fanekempihavanako.


Ny Israelita izay tao Jerosalema dia nankalaza tamin-kafaliana lehibe nandritra ny herinandro izany fetin’ny mofo tsy misy leviora izany; isan’andro ny levita sy ny mpisorona no nidera ny TOMPO nombàn’ny zava-maneno mafy feo mba ho fanajana AZY.


Tamim-pifaliana no nanaovan’ireo Israelita ny fankalazana ny mofo tsy misy leviora nandritra ny fito andro. Fa nampifaly azy tokoa ny TOMPO noho Izy nampiova ny amperôra hamindrafo amin’ny Israelita; izany rahateo no nampahery azy tamin’ny asa momba ny tranon’Andriamanitra, dia Ilay Andriamanitr’i Israely.


Atsatsiho amin’ny afo ny hena, ary hano amin’io alina io miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora sy ny anamafaitra.


Dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: –Tsarovy ity andro anio ity: Fa tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anareo hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anareo. Koa rehefa mankalaza izany ianareo, dia aoka tsy hihinana mofo misy leviora.


Ny fety voalohany hankalazainareo dia ny fetin’ny mofo tsy misy leviora: mandritra ny fito andro voatondro amin’ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Tamin’io volana io manko no nialanareo tany Ejipta; koa aza miseho eo amin’ny alitarako mitondra tanam-polo.


Fa raha misy maka tahaka manamboatra mitovy aminy, ka manosotra azy amin’ny tenan’ny olon-tsotra, dia hoesorina tsy ho anisan’ny firenena israelita izy.»


Fa raha misy manamboatra zava-manitra mitovy aminy hamofonany azy, dia hoesorina tsy ho anisan’ny firenena israelita izy.


Koa manajà ny sabata, fa andro voatokana aminareo izany. Fa izay tsy manaja ny andro sabata fa manao raharaha amin’io andro io dia hoesorina tsy ho anisan’ny firenena israelita ary hovonoina ho faty mihitsy.


«Ankalazao ny fetin’ny mofo tsy misy leviora; mandritra ny fito andro voatondro amin’ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Fa volana Abiba toy izany no nialanareo tany Ejipta.


«Aza ampiarahina amin’ny mofo misy leviora ny sorona alatsa-dra, ary aza avela ho tra-maraina ny henan’ny sorona atao harivan’ny fetin’ny Paska.


«Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, mihinana ram-biby, na biby inona na biby inona, dia hohandriniko izany olona izany, ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.


Ny ain’ny zavaboaary rehetra mana-nofo manko dia ny ra izay ao aminy. Koa izany no nilazako tamin’ny Israelita hoe: ‹Aza mihinana ny ran’ny zavaboaary mana-nofo, satria ny rany no ainy; ka izay rehetra mihinana azy dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita›.


Hoesorin’ny TOMPO tsy ho anisan’ny taranak’i Jakôba anie izay lehilahy manao izany na iza izy na iza, eny, fa na dia izay manolotra fanatitra ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao aza!


Ny andro faha-15 amin’io volana io ihany no hanombohan’ny andro fito izay hihinananareo ny mofo tsy misy leviora.


Fa raha misy kosa olona tsy voaloto sady tsy nandeha an-tany lavitra nefa tsy mankalaza ny Paska, dia hofongorana tsy ho isan’ny fiangonan’i Israely izy, satria tsy nitondra ny fanatitra ho Ahy TOMPO tamin’ny andro voatondro. Hizaka ny vokatry ny fahotany izany olona izany.


Izay vao azon’ny mpianatra fa tsy ny leviora fampiasa amin’ny mofo no nasain’i Jesoa hitandremany tena fa ny fampianaran-dry zareo Farisianina sy Tsadoseanina.


Tamin’izay dia tafangona ny vahoaka alikisa nifanitsa-kitro. Kanefa ny mpianany aloha no nitenenan’i Jesoa hoe: –Mitandrema tena ianareo amin’ny levioran’ny Farisianina dia ny fihatsarambelatsihy.


Nody i Maria sy i Jôsefa nony tapitra ny andro fankalazana, fa i Jesoa tovolahikely dia mbola nijanona tao Jerosalema, saingy tsy tsikaritr’ireo ray aman-dreniny izany.


ka nony hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nosamboriny koa i Petera. (Andro fankalazana ny Azima indrindra tamin’izay.)


Enga anie ka hanakilema ny tenany mihitsy aza ireo mpanabataba anareo!


Aza mofo misy leviora no haninareo amin’ny sakafo Paska; fa mandritra ny fito andro, dia mofo tsy misy leviora no hohaninareo mba hahatsiahivanareo fa an-kamehana no nialanareo tany Ejipta; eny, mofo tsizarizary no hohaninareo mba hahatsiarovanareo ilay andro nialanareo tany Ejipta, mandritra ny andro rehetra iainanareo.


Tsy ho azonareo anaovana ny soron’ny Paska avokoa tsy akory ny tanàna rehetra izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo;


Mandritra ny enina andro no hihinananareo mofo tsy misy leviora; fa amin’ny andro fahafito, dia hisy fivoriana famaranana manetriketrika ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy hanao raharaha ianareo amin’izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra