Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:14 - DIEM PROTESTANTA

14 «Hotsarovana hatrany hatrany io andro io, ka hotandremanareo amin’ny alalan’ny fety manetriketrika ho fankalazana Ahy TOMPO: ho lalàna raikitra ho anareo izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Izany andro izany dia ho andro fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’NY TOMPO; hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalàna maharitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 «Hotsarovana hatrany hatrany io andro io, ka hotandremanareo amin’ny alalan’ny fety manetriketrika ho fankalazana Ahy TOMPO: ho lalàna raikitra ho anareo izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Hataonareo tsy very tadidy izany andro izany, fa hankalazainareo amin’ny fety hiderana an’i Iaveh, hankalazainareo amin’ny taranakareo mifandimby, ho zavatra nalahatra haharitra mandrakizay.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’i Jehovah; hatramin’ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalàna mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah; hatramin'ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalana mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Izany andro izany dia ho andro fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’NY TOMPO; hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalàna maharitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:14
29 Rohy Ifampitohizana  

Nomen’ny mpanjaka baiko ny vahoaka rehetra mba hankalaza ny fetin’ny Paska ho voninahitry ny TOMPO Andriamaniny, araka ny voasoratra amin’ity bokin’ny fanekempihavanana ity.


Tiany hotsaroana ny zava-mahagaga nataony. Miantra sy mamindrafo ny TOMPO.


TOMPO ô, maharitra mandrakizay ny lazanao; amin’ny taona rehetra ny fahatsiarovana Anao,


«Hotandremanareo ny fetin’ny mofo tsy misy leviora ho fahatsiarovana fa tamin’io andro io mihitsy Aho no namoaka ny vahoakanareo hiala avy tany Ejipta. Hotandremanareo hatrany hatrany izany andro izany, ho lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo.


Tandremo io zavatra io mba ho lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo hatrany hatrany.


Ary hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy sy i Aharôna: –Izao no fepetra momba ny fetin’ny Paska: «Tsy misy vahiny mahazo mihinana amin’ny sakafo.


Hotehiriziko hatramin’ny andro faha-14 amin’ity volana ity izany, ka ny harivan’io andro io dia samy hamono azy ny fiangonana israelita manontolo.


Ny fety voalohany hankalazainareo dia ny fetin’ny mofo tsy misy leviora: mandritra ny fito andro voatondro amin’ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Tamin’io volana io manko no nialanareo tany Ejipta; koa aza miseho eo amin’ny alitarako mitondra tanam-polo.


I Aharôna sy ny taranany no hametraka ny fitoeran-jiro ao amin’ny Tranolay fihaonana, eo anoloan’ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina; ny jiro dia hirehitra manomboka ny hariva ka hatramin’ny maraina eo anatrehako Izaho TOMPO. Fepetra raikitra hotanterahin’ny Israelita isaky ny taranaka mifandimby izany.


Taorian’izany dia nankany amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka niteny taminy hoe: –Izao no nambaran’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: «Alefaso ny vahoakako mba hanao fety any an-taniefitra ho fanajana Ahy.»


Isa-maraina koa no hanolorana amin’ny TOMPO koba lafarinina dimy kilao vontosana diloilo roa litatra; fanatitra vokatry ny tany atao amin’ny Tompo izany, ary lalàna raikitra hatrany hatrany.


«Io volana io ihany, andro faha-15, no anombohan’ny fetin’ny mofo tsy misy leviora hanajana AHY. Mandritra ny fito andro, dia mofo tsy misy leviora ihany no hohaninareo.


Ary hijanona eo amin’ny tempolin’ny TOMPO ilay satroboninahitra ho fampahatsiarovana an’i Helday sy i Tôbià ary i Jedahià, ary koa ho fampahatsiarovana ny fahalalaham-pon’ilay zanakalahin’i Tsefanià.


«Ireo mpisorona taranak’i Aharôna ihany no hitsoka ny trômpetra; lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo izany.


Mitovy ihany ny fitsipika ho an’ny mpiray fiangonana, na ho anareo na ho an’ny vahiny izay eo aminareo, ary dia hanan-kery amin’ny taranaka rehetra mifandimby izany; tsy hisy hafa ianareo sy ny vahiny eo anatrehako.


Niteny tamin’i Aharôna ny TOMPO ka nanao hoe: –Indro efa nampiandraiketiko anao ny fanatitra masina rehetra aterin’ny Israelita ho Ahy; omeko ho anjara raikitra ho anao sy ny taranakao izany.


Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza eran’izao tontolo izao hanambaràna ity Vaovao Mahafaly ity dia holazaina koa izao nataon’ity vehivavy ity izao mba ho fahatsiarovana azy.


Avy eo nandray mofo i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia notapatapahiny sy nomeny ny apôstôly ka nataony hoe: –Ny tenako ity [izay omena ho anareo. Izany atao ho fahatsiarovana Ahy.


Tandremo fa amin’ny volana Abîba no hankalazanareo ny Paska ho fanajana ny TOMPO Andriamanitrareo. Volana Abîba manko no nitondran’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo niala tany Ejipta tamin’ny alina.


Hankany amin’ny toerana izay hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan’ny voninahiny ianareo, ary hifaly eo anatrehan’ilay Toeramasin’ny TOMPO Andriamanitrareo ny tenanareo sy ny zanakareo ary ny mpanomponareo mbamin’ny Levita izay ao an-tanànanareo ary koa ny vahiny sy kamboty ary mpitondratena izay eo anivonareo.


Mba ho fampahatsiahivana anao, dia ataovy amin’ny boaty famehy eny amin’ny hato-tananao na eny an-kandrinao ireny,


dia hamaly hoe: «Tapaka ny ranon’i Jôrdàna noho ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO. Eny raha nita an’i Jôrdàna ny Vatamasina; dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia hahatsiarovana mandrakizay izany zava-mahagaga izany eo amin’ny Israelita.»


Nanomboka tamin’io andro io, dia nataon’i Davida lalàna sy fomba ho an’i Israely izany ary mbola arahina mandraka androany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra