Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Fa ho anareo kosa, ny ra dia ho famantarana ny trano izay itoeranareo; koa raha mahita ny ra Aho, dia handalo fotsiny, ka ny areti-mandringana dia tsy hahazo anareo rehefa mamely an’i Ejipta Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo. Koa raha mahita ny ra Aho dia handalo anareo fotsiny ka tsy hisy loza handringana anareo rehefa mamely ny tany Ejipta Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Fa ho anareo kosa, ny ra dia ho famantarana ny trano izay itoeranareo; koa raha mahita ny ra Aho, dia handalo fotsiny, ka ny areti-mandringana dia tsy hahazo anareo rehefa mamely an’i Ejipta Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo; ho hitako ny ra dia holalovako fotsiny ianareo; ka tsy hisy loza hahafaty anareo, rehefa hamely ny tany Ejipta Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin'ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo. Koa raha mahita ny ra Aho dia handalo anareo fotsiny ka tsy hisy loza handringana anareo rehefa mamely ny tany Ejipta Aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:13
10 Rohy Ifampitohizana  

Ny famorana anareo no ho famantarana ny fanekempihavanana ifanaovako aminareo.


Ary toy izao no hataonareo rehefa mihinana azy: asio sikina ny akanjonareo, anaovy ny kapanareo ary ataovy an-tanana ny tehinareo, dia hano faingana izany fa Paska ho an’ny TOMPO.


Fa handalo mba hanafay ny Ejiptianina ny TOMPO; koa raha mahita ny ra eo amin’ny tataom-baravarana sy ny tolam-baravarana roa ny TOMPO dia handalo ny varavaranareo fotsiny fa tsy hamela ny areti-mandringana hiditra ao an-tranonareo.


Hanalanareo ny rany ka hanosoranareo ny tolam-baravarana roa sy ny tataom-baravarana isan-trano hihinanana azy.


ka nanao taminy hoe: «Mandehana mamakivaky eran’ny tanànan’i Jerosalema, ka asio marika eny an-kandrin’izay rehetra mitaraina sy malahelo noho ny fomba rehetra maharikoriko atao eo aminy.»


Andrasanareo koa ny hahatongavan’ny Zanany avy any an-danitra, dia i Jesoa Izay efa natsangany ho velona avy tany amin’ny maty sady mpanafaka antsika amin’ilay fahatezeran’Andriamanitra ho avy.


Finoana no nanorenan’i Mosesy ny fankalazana ny Paska sy nanomezany baiko hanentenana ra ny varavarana, fandrao mikasika ireo lahimatoa israelita ilay anjely mpandringana ka mamono azy.


Ary ankehitriny, aoka hianiananareo amin’ny Tompo aho fa hamindranareo fo ny fianakaviako tahaka izay namindrako fo taminareo: koa mba omeo famantarana azo antoka aho


Rehefa tonga haka ny tany izahay, dia afatory eo amin’ny varavarankely izay nampidinanao anay ity kofehy mena ity; ary angony ao an-trano avokoa ny ray aman-dreninao sy mpiray tampo aminao mbamin’ny fianakavianao manontolo.


Andriamanitra dia ao amin’ny mazava: ka raha miaina ao amin’ny fahazavana tahaka Azy isika, dia misy fiombonana amintsika samy isika; ary ny ran’i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny karazam-pahotana rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra