Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 4:21 - DIEM PROTESTANTA

Taranak’i Selà, zanakalahin’i Joda: i Hera mpanorina an’i Lekà; i Lahedà mpanorina an’i Maresà; ireo tarika mpanenona lamba rongony tao Bety-Asbea;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny zanakalahin’i Sela, zanak’i Joda, dia i Era, rain’i Leka; i Lada, rain’i Maresa; ny fokon’ny mpanao lamba rongony fotsy madinika amin’ny ankohonan’i Asbea;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Taranak’i Selà, zanakalahin’i Joda: i Hera mpanorina an’i Lekà; i Lahedà mpanorina an’i Maresà; ireo tarika mpanenona lamba rongony tao Bety-Asbea;

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Zanaka lahin’i Selà, zanak’i Jodà: I Hera rain’i Lekà; i Laadà rain’i Maresà sy ny fianakaviana amin’ny fokon’ny mpanao biso sy amin’ny fokon’i Askebea,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny zanakalahin’i Sela, zanak’i Joda, dia Era, rain’i Leka, sy Lada, rain’i Maresa, sy ny fokon’ny mpanao rongony fotsy madinika amin’ny ankohonan’i Asbea;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny zanakalahin'i Sela, zanak'i Joda, dia Era, rain'i Leka, sy Lada, rain'i Maresa, sy ny fokon'ny mpanao rongony fotsy madinika amin'ny ankohonan'i Asbea;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny zanakalahin’i Sela, zanak’i Joda, dia i Era, rain’i Leka; i Lada, rain’i Maresa; ny fokon’ny mpanao lamba rongony fotsy madinika amin’ny ankohonan’i Asbea;

Jereo ny toko



1Tantara 4:21
10 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia mbola nitoe-jaza hafa indray izy ka nantsoiny hoe Selà. Tany Keziba i Joda no niteraka an’i Selà ny vadiny.


I Joda sy ireo zanany lahy, dia i Selà sy i Peretsa ary i Zera; fa ny zanany roa lahy, i Hera sy i Onàna, dia efa maty tany amin’ny tany Kanahàna. Ary ny zanakalahin’i Peretsa dia i Hetsirôna sy i Hamola.


Ny zanakalahin’i Joda dia i Hera sy i Ônàna ary i Selà: izy telo lahy no naterak’ilay Kanahanita vadiny, dia ny zanakavavin’i Soha. Ary ratsy fanahy teo imason’ny TOMPO i Hera, lahimatoan’i Joda, ka novonoin’ny Tompo ho faty.


Ny zanakalahin’i Simôna dia i Amnôna sy i Rinà ary i Bena-Hanàna sy i Tilôna. Taranak’i Jisehỳ: i Zôheta sy ilay zanakalahin’i Zôheta.


i Jôkima sy ny mponina tao Kôzebà; ary i Jôasy sy i Sarafa, izay samy nanambady vehivavy môabita vao niverina nonina tao Betlehema: zavatra efa tranainy izany.


avy tamin’ny terak’i Selà, dia i Asaià lahimatoa sy ireo zanany lahy;


ary i Mahaseià, anisan’ny terak’i Selà noho izy zanakalahin’i Baròka sy zafin’i Kôla-Hôze sy zafiafin’i Hazaià sy zafin-dohalik’i Hadaià sy zafin-kitrokelin’i Jôiariba ary zafim-paladian’i Zakarià.


Diso fanantenana ireo mpanao lamba rongony; na ireo vehivavy mpamoly na ireo lehilahy mpanenona dia samy hatsatry ny fanahiana.


i Kehilà, i Akziba, ary i Maresà; izany hoe tanàna sivy samy miampy ireo tanàna kely miankina aminy.