Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 19:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Diso fanantenana ireo mpanao lamba rongony; na ireo vehivavy mpamoly na ireo lehilahy mpanenona dia samy hatsatry ny fanahiana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ho menatra izay mandraotra tahon-drongony, dia ny mpandraotra sy ny mpanenona lamba fotsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Diso fanantenana ireo mpanao lamba rongony; na ireo vehivavy mpamoly na ireo lehilahy mpanenona dia samy hatsatry ny fanahiana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Ry zareo miasa ny rongony madinika voaraotra, sy ry zareo manenona ny landihazo, hiraviravy tanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ho very fanantenana izay mandraotra rongony amin’ny fihogo Sy izay manenona hariry.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ho very fanantenana izay mandraotra rongony amin'ny fihogo sy izay manenona hariry.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ho menatra izay mandraotra tahon-drongony, dia ny mpandraotra sy ny mpanenona lamba fotsy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 19:9
5 Rohy Ifampitohizana  

Ny soavalin’i Salômôna dia avy tany Ejipta sy Silisia; ny mpandranton’ny mpanjaka no nividy azy tany.


ny andry anankiroa sy ny koronosy boribory roa teo an-tampony; ny karazana harato roa nafono ny koronosy boribory teo an-tampon’ny andry;


Taranak’i Selà, zanakalahin’i Joda: i Hera mpanorina an’i Lekà; i Lahedà mpanorina an’i Maresà; ireo tarika mpanenona lamba rongony tao Bety-Asbea;


Ny fandriako efa novelarako firakotra, dia lambam-pandriana avy any Ejipta


Rongony madinika misoratsoratra avy any Ejipta no natao lain-tsambonao mba ho faneva hamantarana anao. Lamba miloko volomparasy sy jaky avy any amin’ny nosy Sipra no natao labasy hiarovana ny entanao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra