Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 19:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Misento sy mitomany ny mpanjono, samy talanjona ireo mpamintana rehetra sy ireo mpandatsaka harato amin’ny ony Neily.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Dia hitoloko ny mpaka hazandrano ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily; ho reraka ny mpamelatra harato amin’ny rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Misento sy mitomany ny mpanjono, samy talanjona ireo mpamintana rehetra sy ireo mpandatsaka harato amin’ny ony Neily.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Ny mpaka hazandrano hisentosento sy higogogogo, dia ny mpamintana rehetra, eo an’ony; ny mpandatsaka harato eo ambonin’ny rano hivaranhotsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Dia hitomany ny mpaka hazandrano, Ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny mpandatsaka harato amin’ny rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Dia hitomany ny mpaka hazan-drano, ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny mpandatsaka harato amin'ny rano.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Dia hitoloko ny mpaka hazandrano ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily; ho reraka ny mpamelatra harato amin’ny rano.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 19:8
6 Rohy Ifampitohizana  

Maty ny trondro ka maimbo ny ony, dia tsy azon’ny Ejiptianina nosotroina intsony ny rano, fa nisy ra manerana ny tany Ejipta manontolo.


Ary manomboka eo Haîna-Gedỳ ka hatrany Haîna-Heglaima, dia hisy mpanarato hanahy ny haratony eny amoron’io ranomasina io. Fa hahitana trondro marobe isan-karazany ao tahaka ny any amin’ny Ranomasina Mediteranea.


Toy ny trondro azom-pintana na voafandrika am-bovo na voasarika amin’ny harato tarihina no amaboan’ny Babilônianina ireo olombelona; ary ifaliany sy iravoravoany tokoa izany.


Mbola hanatsoaka sabatra hatrany ve ry zareo, ka handringana tsisy indrafo ny firenena maro?


Tsaroanay ny trondro nohanina maimaimpoana tany Ejipta, ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolobe, ny tongolo isan-karazany.


«Ianareo itsofany sodina, tsy mandihy; ianareo anaovanay hira fisaonana, tsy mitomany!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra