Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 38:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Avy eo dia mbola nitoe-jaza hafa indray izy ka nantsoiny hoe Selà. Tany Keziba i Joda no niteraka an’i Selà ny vadiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Dia nanana anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Sela; ary nitoetra tany Keziba i Joda tamin’ny niterahan’ny vadiny an’i Sela.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Avy eo dia mbola nitoe-jaza hafa indray izy ka nantsoiny hoe Selà. Tany Keziba i Joda no niteraka an’i Selà ny vadiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Ary nanana anaka koa izy, dia tera-dahy, nataony hoe Selà ny anarany. Nitoetra tao Akeziba i Jodà, tamin’ny niterahany an’io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Dia nanan-anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin’ny niterahan’ny vadiny an’i Sela.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Dia nanan'anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany natao­ny hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin'ny niterahan'ny vadiny an'i Sela.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Dia nanana anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Sela; ary nitoetra tany Keziba i Joda tamin’ny niterahan’ny vadiny an’i Sela.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 38:5
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Joda tamin’i Tamara vinantovaviny: –Mitoera ho mpitondratena any an-tranon’ny rainao aloha mandra-pahalehiben’i Selà zanako lahy. Fa hoy i Joda anakampony hoe: «Sao dia ho faty toy ny rahalahiny eo koa i Selà.» Dia lasa i Tamara nonina tany an-tranon-drainy.


Fantatr’i Joda ireo zavatra ireo ka hoy izy hoe: –Marina kokoa noho izaho i Tamara, satria tokony ho nomeko ho vadiny i Selà zanako lahy kanefa tsy nataoko izany. Dia tsy nandry tamin’i Tamara intsony i Joda.


Naka vady ho an’i Hera lahimatoany i Joda, ka Tamara no anarany.


I Joda sy ireo zanany lahy, dia i Selà sy i Peretsa ary i Zera; fa ny zanany roa lahy, i Hera sy i Onàna, dia efa maty tany amin’ny tany Kanahàna. Ary ny zanakalahin’i Peretsa dia i Hetsirôna sy i Hamola.


Ny zanakalahin’i Joda dia i Hera sy i Ônàna ary i Selà: izy telo lahy no naterak’ilay Kanahanita vadiny, dia ny zanakavavin’i Soha. Ary ratsy fanahy teo imason’ny TOMPO i Hera, lahimatoan’i Joda, ka novonoin’ny Tompo ho faty.


Taranak’i Selà, zanakalahin’i Joda: i Hera mpanorina an’i Lekà; i Lahedà mpanorina an’i Maresà; ireo tarika mpanenona lamba rongony tao Bety-Asbea;


Ny taranak’i Joda, araka ny tarika tao aminy, dia: ny Selanita avy tamin’i Sela; ny Peritsita avy tamin’i Peretsa; ny Zerahita avy tamin’i Zerà. Ny taranak’i Peretsa dia nisy fianakaviambe anankiroa: ny Hetsirônita avy tamin’i Hetsirôna ary ny Hamôlita avy tamin’i Hamòla. Ny zanak’i Joda roa lahy, i Hera sy i Ônana, anefa dia maty tany Kanahana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra