Genesisy 38:5 - Baiboly Katolika5 Ary nanana anaka koa izy, dia tera-dahy, nataony hoe Selà ny anarany. Nitoetra tao Akeziba i Jodà, tamin’ny niterahany an’io. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20115 Dia nanana anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Sela; ary nitoetra tany Keziba i Joda tamin’ny niterahan’ny vadiny an’i Sela. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA5 Avy eo dia mbola nitoe-jaza hafa indray izy ka nantsoiny hoe Selà. Tany Keziba i Joda no niteraka an’i Selà ny vadiny. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara5 Avy eo dia mbola nitoe-jaza hafa indray izy ka nantsoiny hoe Selà. Tany Keziba i Joda no niteraka an’i Selà ny vadiny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy5 Dia nanan-anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin’ny niterahan’ny vadiny an’i Sela. Jereo ny tokoMalagasy Bible5 Dia nanan'anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin'ny niterahan'ny vadiny an'i Sela. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache5 Dia nanana anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Sela; ary nitoetra tany Keziba i Joda tamin’ny niterahan’ny vadiny an’i Sela. Jereo ny toko |