Maty i Rahely ka nalevina teo amoron-dàlana mankany Efratà, izay atao hoe Betlehema ankehitriny.
1Tantara 2:51 - DIEM PROTESTANTA i Salmà mpanorina an’i Betlehema, ary i Harefa mpanorina an’i Bety-Gedera. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Salma, rain’ny any Betlehema; i Harefa, rain’ny any Bety-Gadera. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara i Salmà mpanorina an’i Betlehema, ary i Harefa mpanorina an’i Bety-Gedera. Baiboly Katolika i Salmà rain’i Betlehema; i Harifa rain’i Betigadera. Baiboly Protestanta Malagasy Salma, razemben’ny any Betlehema, Harefa, razamben’ny any Beti-gadera. Malagasy Bible Salma, razamben'ny any Betlehema, Harefa, razamben'ny any Beti-gadera. La Bible en Malgache i Salma, rain’ny any Betlehema; i Harefa, rain’ny any Bety-Gadera. |
Maty i Rahely ka nalevina teo amoron-dàlana mankany Efratà, izay atao hoe Betlehema ankehitriny.
Ireto koa mbola taranak’i Kaleba: ireo zanakalahin’i Hora, lahimatoan’i Efrata, dia i Sôbala mpanorina an’i Kiriata-Jeharîma,
Taranak’i Sôbala mpanorina an’i Kiriata-Jeharîma: ny mponina tao Harôe sy ny antsasaky ny Manahetita
Rehefa teraka tao Betlehema tanànan’i Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, dia indreny nisy olon-kendry mpandinika momba ny kintana niainga avy tany atsinanana ary tonga tao Jerosalema,
«Ary ianao, ry Betlehema, tanin’i Joda, tsy ianao tsy akory no kely indrindra amin’ireo tanàna malazan’i Jodea; fa avy aminao no hipoiran’ilay filoha izay ho mpiandry an’i Israely vahoakako.»
Tsy efa voalazan’ny Soratra Masina ve fa avy amin’ny taranak’i Davida sady avy ao Betlehema tanàna nonenan’i Davida no iavian’ny Mesia?
Tamin’ny andro nitondran’ny Mpitsara tao Israely, dia nisy mosary tao amin’ny tany. Koa nisy lehilahy iray avy ao amin’ny Betleheman’i Joda nandeha nifindra monina tany amin’ny faritr’i Môaba niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy.
Dia nandeha niaraka izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Rehefa tonga tao Betlehema izy ireo, dia taitra taminy avokoa ny tao an-tanàna rehetra, ka hoy ireo vehivavy hoe: «I Nahômỳ tokoa ve ity?»
Taoriana kely dia indro tonga i Bôhaza avy tany Betlehema, ka niarahaba ny mpijinja hoe: –Hiaraka aminareo anie ny TOMPO! Dia novalian’ireo hoe: –Hotahin’ny TOMPO anie ianao!
Dia hoy ireo vahoaka rehetra izay teo am-bavahady sy loholona hoe: –Eny, vavolombelona manatri-maso izahay. Hotahin’ny TOMPO anie ity vehivavy izay hankao an-tranonao, ka ho tahaka an-dRahely sy i Lea fa izy roa vavy no niavian’ny vahoaka Israely; hataony manan-karena eo amin’ny Efratîta anie ianao, ary halaza eran’i Betlehema anie ny anaranao!