Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Rota 1:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Tamin’ny andro nitondran’ny Mpitsara tao Israely, dia nisy mosary tao amin’ny tany. Koa nisy lehilahy iray avy ao amin’ny Betleheman’i Joda nandeha nifindra monina tany amin’ny faritr’i Môaba niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Tamin’ny andro nitondran’ny mpitsara dia nisy mosary teo amin’ny tany. Ary nisy lehilahy avy any Betleheman’i Joda nandeha nivahiny tany amin’ny tany Moaba, dia izy sy ny vadiny mbamin’ny zanany roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Tamin’ny andro nitondran’ny Mpitsara tao Israely, dia nisy mosary tao amin’ny tany. Koa nisy lehilahy iray avy ao amin’ny Betleheman’i Joda nandeha nifindra monina tany amin’ny faritr’i Môaba niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Tamin’ny andro nanapahan’ny mpitsara dia nisy mosary teo amin’ny tany. Ary nisy lehilahy anankiray, avy ao Betlehema any Jodà, nandeha nitoetra tany amin’ny tanin’i Moaba, niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY tamin’ny andro nitsaran’ny mpitsara dia nisy mosary teo amin’ny tany. Ary nisy lehilahy avy any Betlehema-joda nandeha nivahiny tany amin’ny tany Moaba, dia izy sy ny vadiny mbamin’ny zanany roa lahy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary tamin'ny andro nitsaran'ny mpitsara dia nisy mosary teo amin'ny tany. Ary nisy lehilahy avy any Betlehema-joda nandeha nivahiny tany amin'ny tany Moaba, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny zanany roa lahy;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Tamin’ny andro nitondran’ny mpitsara dia nisy mosary teo amin’ny tany. Ary nisy lehilahy avy any Betleheman’i Joda nandeha nivahiny tany amin’ny tany Moaba, dia izy sy ny vadiny mbamin’ny zanany roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 1:1
26 Rohy Ifampitohizana  

Ary nisy mosary tao amin’ny tany; ka rehefa nihamafy izany, dia nidina tany Ejipta ry i Abrama.


Nisy mosary teo amin’ny tany, hafa noho izay niseho tamin’ny andron’i Abrahama; koa lasa i Itsehàka nankany amin’i Abimelèka mpanjakan’i Filistinina tao Gerara.


Mbola nanindry mafy tany Kanahàna ny mosary.


Nisy mosary naharitra telo taona misesy tamin’ny andron’i Davida. Nanontany ny TOMPO momba izany i Davida ka novaliany hoe: –Avy amin’i Saoly sy ny fianakaviany lian-dra izao, satria i Saoly no namono nahafaty ny Gibehônita.


Dia lasa i Elià niseho tamin’i Ahaba. Namely mafy ny mosary tany Samaria,


i Salmà mpanorina an’i Betlehema, ary i Harefa mpanorina an’i Bety-Gedera.


Taranak’i Salmà: ny mponina tao Betlehema, ny Netôfatita, ny mponina tao Hatarôta-Bety-Jôaba, ny antsasaky ny Manahetîta, ny Tsôrehita,


Niantso mosary ho amin’ny tany Izy ka nanafoana ny sakafo rehetra.


ary ny tany lonaka ho tanin-tsira, noho ny faharatsian’ny mponina eo.


Tenin’ny TOMPO tamin’i Jeremià noho ny hain-tany.


«Ry ilay taranak’olombelona, raha ohatra manota amiko ireo mponin’ny tany anankiray ka mivadika amiko, dia hampihatra ny heriko hamely azy Aho. Hosimbako ny tahirin-kaniny ka handefasako mosary izy; sady haringako avokoa ny olona sy ny biby fiompy eo amin’ny taniny.


Izao kosa avy eo no voalazan’ny Tompo ANDRIANANAHARY tamiko: «Na dia nalefako hamely an’i Jerosalema aza ireo famaizako efatra mandoza ireo, izany hoe ny ady sy ny mosary sy ny biby masiaka ary ny areti-mandringana, mba handripahana ny olona sy ny biby fiompy,


Horavako ny hery ireharehanareo, ka ny lanitra tandrifinareo hataoko mafy toy ny vy ary ny tany volenareo hataoko mafy toy ny varahina.


Izaho mihitsy no efa nahatonga mosary tao amin’ny tanànanareo rehetra, ary tsy fahampian-tsakafo tao amin’ny fonenanareo rehetra; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


–Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany amin’ny fahavalo mandra-piavin’ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray; ka izay sisa velona, amin’ireo rahalahiny voasesi-tany, dia hiverina ho any amin’ireo Israelita namany.


Voan-javatra betsaka no hoentinareo hafafy any an-tsaha, fa kely kosa no vokatra hangoninareo, satria ho lanin’ny valala ireny.


I Ibitsàna avy any Betlehema no nandimby an’i Jiftà ka nitondra ny Israelita.


Nisy zatovo levita anankiray nivahiny tao Betlehema any Joda, tanàna anisan’ny fokon’i Joda.


Niala tao Betlehema izy mba hivahiny any amin’izay azony hitoerana. Raha mbola nandeha izy, dia tonga tany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma ka tafapaka teo amin’ny tranon’i Mikà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra