Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -

Rota 1:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Dia nandeha niaraka izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Rehefa tonga tao Betlehema izy ireo, dia taitra taminy avokoa ny tao an-tanàna rehetra, ka hoy ireo vehivavy hoe: «I Nahômỳ tokoa ve ity?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Dia nandeha izy mianaka ka tonga tany Betlehema. Rehefa tonga tany Betlehema izy dia taitra ny iray tanàna manontolo nahita azy ka hoy ny vehivavy: I Naomy va re ity?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Dia nandeha niaraka izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Rehefa tonga tao Betlehema izy ireo, dia taitra taminy avokoa ny tao an-tanàna rehetra, ka hoy ireo vehivavy hoe: «I Nahômỳ tokoa ve ity?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Dia niara-nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Nony niditra an’i Betlehema izy ireo, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ary hoy ny vehivavy: «Fa i Nôemì ve io e?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Dia nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema izy, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re ity?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

La Bible en Malgache

19 Dia nandeha izy mianaka ka tonga tany Betlehema. Rehefa tonga tany Betlehema izy dia taitra ny iray tanàna manontolo nahita azy ka hoy ny vehivavy: I Naomy va re ity?

Jereo ny toko dika mitovy

Rota 1:19
6 Rohy Ifampitohizana  

i Salmà mpanorina an’i Betlehema, ary i Harefa mpanorina an’i Bety-Gedera.

Dia ity tokoa ve ilay tanànareo izay naresaka dia naresaka fahiny, sy efa niorina hatry ny ela ary nandeha nanjana-tany hatrany lavitra any?»

Mitehaka noho ny faharavanao izay rehetra mandalo amin’ity lalana ity, velon-tsioka sy mihifikifi-doha izy maneso anao, ry Jerosalema mamiko: «Ity tokoa ve ilay tanàna natao hoe ‹fanaperana amin’ny hatsaran-tarehy› sy ‹fifalian’ny tany tontolo›?»

Ary nony efa tafiditra tao Jerosalema i Jesoa, dia nihotakotaka avokoa ny iray tanàna ka nanontany hoe: –Iza moa io lehilahy io?

fa novalian’i Nahômỳ hoe: –Aoka aho tsy antsoinareo intsony hoe Nahômỳ, ilay sambatra; fa aoka antsoinareo hoe Marà, ilay ory, satria Andriamanitra Tsitoha efa nampahory ahy loatra.

Dia namaly ilay mpanompo, lehiben’ny mpijinja, ka nanao hoe: –Ilay vehivavy môabita io, izay niaraka tamin’i Nahômỳ fony izy niverina tany amin’ny faritr’i Môaba.

Araho izahay:

dokam-barotra

dokam-barotra