Ianao, ry Reobena, no lahimatoako, voalohan-terako tao anatin’ny heriko. Ihoaranao ny rahalahinao amin’ny fahamendrehana sy ny hery.
1Tantara 2:42 - DIEM PROTESTANTA Ireo zanakalahin’i Kaleba, rahalahin’i Jerahimeela, dia i Mesà, lahimatoa sady rain’i Zifa, ary i Maresa rain’i Hebrôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Kaleba, rahalahin’i Jeramela, dia i Mesa, lahimatoa, rain’ny any Zifa, sy ny zanakalahin’i Maresa, rain’ny any Hebrona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo zanakalahin’i Kaleba, rahalahin’i Jerahimeela, dia i Mesà, lahimatoa sady rain’i Zifa, ary i Maresa rain’i Hebrôna. Baiboly Katolika Zanaka lahin’i Kaleba rahalahin’i Jerameela: i Mesà, lahy matoany, rain’i Zifa, sy ny zanaka lahin’i Maresà, rain’i Hebrôna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zanakalahin’i Kaleba, rahalahin’i Jeramela, dia Mesa, lahimatoa, razamben’ny any Zifa, sy ny zanakalahin’i Maresa, razamben’ny any Hebrona. Malagasy Bible Ary ny zanakalahin'i Kaleba, rahalahin'i Jeramela, dia Mesa, lahimatoa, razamben'ny any Zifa, sy ny zanakalahin'i Maresa, razamben'ny any Hebrona. La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Kaleba, rahalahin’i Jeramela, dia i Mesa, lahimatoa, rain’ny any Zifa, sy ny zanakalahin’i Maresa, rain’ny any Hebrona. |
Ianao, ry Reobena, no lahimatoako, voalohan-terako tao anatin’ny heriko. Ihoaranao ny rahalahinao amin’ny fahamendrehana sy ny hery.
izy ihany koa no reny niteraka an’i Sahafy mpanorina an’i Madmenà sy niteraka an’i Sevà mpanorina an’i Makbenà sy i Gibehà; ary ny zanakavavin’i Kaleba dia i Haksà.
Taranak’i Sôbala mpanorina an’i Kiriata-Jeharîma: ny mponina tao Harôe sy ny antsasaky ny Manahetita
Ary ny zanakalahy naterak’i Hetsirôna dia i Jerahimeela sy i Rama ary i Kelobay na Kaleba.
Tao Gibehôna no nonina i Jihiela, ilay mpanorina io tanàna io; ary ny anaran’ny vadiny dia i Mahekà.
Satria izay nofidin’Andriamanitra mialoha dia voatendry rahateo koa hitovy endrika amin’ilay Zanany, mba hahatonga ny Zanany ho lahimatoa manan-jandry maro.
ary koa ny Fiangonana ivorian’ireo zanaka malalan’Andriamanitra toa lahimatoany, dia ireo voasoratra anarana any an-danitra. Ny efa nohatoninareo dia Andriamanitra mpitsara ny olona rehetra ary koa ireo fanahin’ny olo-marina efa tonga lafatra.
i Kehilà, i Akziba, ary i Maresà; izany hoe tanàna sivy samy miampy ireo tanàna kely miankina aminy.
Nankany amin’i Saoly tany Gibehà ny mponin’i Zifa ka nanao taminy hoe: –Moa tsy fantatrao fa i Davida anie ka miafina any aminay ao amin’ny toerana be harambato any Hôresa, any amin’ny havoanan’i Hakilà eo atsimon’ny faritra be lobolobo?
Tonga tao amin’i Saoly tany Gibehà ny mponin’i Zifa, ka nanao taminy hoe: –Moa tsy fantatrao ve fa miery any amin’ny havoanan’i Hakilà, tandrifin’ny faritra be lobolobo i Davida!