Tamin’ny taranak’i Efraîma, dia nisy 20 800 lahy, samy maherifo sady nalaza teo amin’ny fianakaviany avy.
1Tantara 16:41 - DIEM PROTESTANTA Niaraka tamin’ny mpisorona ry i Hemàna sy i Jedotòna ary ireo sisa voafidy sy voatondro anarana mba hidera ny TOMPO noho ny fitiavany maharitra mandrakizay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Naman’ireo koa i Hemana sy i Jedotona ary ny sisa amin’ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera NY TOMPO, fa mandrakizay ny famindrampony! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niaraka tamin’ny mpisorona ry i Hemàna sy i Jedotòna ary ireo sisa voafidy sy voatondro anarana mba hidera ny TOMPO noho ny fitiavany maharitra mandrakizay. Baiboly Katolika Teo akaikin’ireo i Hemàna sy i Iditona mbamin’ny sisan’ireo voafidy sy voatonona anarana, hidera an’i Iaveh, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. Baiboly Protestanta Malagasy ary naman’ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin’ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an’i Jehovah, fa mandrakizay ny famindrampony. Malagasy Bible ary naman'ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin'ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony. La Bible en Malgache Naman’ireo koa i Hemana sy i Jedotona ary ny sisa amin’ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera NY TOMPO, fa mandrakizay ny famindrampony! |
Tamin’ny taranak’i Efraîma, dia nisy 20 800 lahy, samy maherifo sady nalaza teo amin’ny fianakaviany avy.
Dia notendren’ny levita i Hemàna zanakalahin’i Jôela, sy i Asafa zanakalahin’i Berekià sady naman’i Hemàna, ary i Etàna zanakalahin’i Kosaià avy amin’ny fokon’i Merarỳ sady naman-dry i Hemàna sy i Asafa.
Dia teo anoloan’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO teo i Davida no nanankina adidy tamin-dry i Asafa sy ny namany mba hanao fanompoam-pivavahana tsy an-kiato eo, araka ny raharaha tokony hatao isan’andro;
Ary ny levîta naman’ireo no nanankinana ny fanompoana hafa rehetra momba ny Tranolay fihaonana, tao an-tranon’Andriamanitra.
Rehefa niara-nidinika tamin’ny vahoaka i Jôsafata, dia nanendry mpihira hialoha ny tafika, ka hanao fanamiana masina sady hidera ny TOMPO hanao hoe: «Miderà ny TOMPO ianareo; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!»
Niombona toy ny feo tokana no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, fony izy nidera sy nisaotra ny TOMPO. Ary rehefa nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona mbamin’ny zava-maneno isan-karazany, ka nihira hoe: «Miderà ny TOMPO fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany», dia feno rahona ny tranon’ny TOMPO;
Nony hitan’ny Israelita rehetra kosa ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitry ny TOMPO teo amin’ny tempoly, dia niankohoka nitehina ny lampivato izy ka nitsaoka ny TOMPO sy nidera Azy hoe: «Eny, tsara Izy sady maharitra mandrakizay ny fitiavany».
Dia nidera sy nisaotra ny TOMPO ireto terak’i Asafa ka nanao hira nifamalivaly hoe: «Tsara ny Tompo, ary maharitra mandrakizay ny fitiavany an’i Israely!» Nihoby mafy koa ny vahoaka rehetra raha nidera ny TOMPO, satria vita ny fototry ny tranon’ny TOMPO.
Nentin’ireto iraka koa ny lehilahy 220 notsongaina tamin’ireo mpanampy ny levita, dia ilay sokajin’olona notendren’i Davida sy ny loholona mba hanompo ny levita. Samy notononina anarana avokoa ireo lehilahy ireo.
Fa ny fitiavan’ny TOMPO kosa dia hatrizay ka ho mandrakizay amin’ireo olona manaja Azy; ary ny fahamarinany hihatra amin’ny taranaka mandimby,
Haleloià! Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
ny kotaban’ny fety sy ny horakora-pifaliana. Ho re ao indray ny hiran’ny mpanambady; ho re ao indray ny hira manao hoe: Derao ny TOMPOn’izao rehetra izao, fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany. Izany no hiran’ireo mitondra sorom-pisaorana mankao an-tranoko. Eny, hoy Izaho TOMPO, haveriko amin’ny laoniny toy ny fahiny izany tany izany.»
Dia nentin-dralehilahy tao amin’ny kianja anatiny aho. Nisy efitra roa tao: ny iray terỳ anilan’ny varavarana avaratra ary mitodika mianatsimo, ary ny iray kosa terỳ anilan’ny varavarana atsimo ary mitodika mianavaratra.