Jeremia 33:11 - DIEM PROTESTANTA11 ny kotaban’ny fety sy ny horakora-pifaliana. Ho re ao indray ny hiran’ny mpanambady; ho re ao indray ny hira manao hoe: Derao ny TOMPOn’izao rehetra izao, fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany. Izany no hiran’ireo mitondra sorom-pisaorana mankao an-tranoko. Eny, hoy Izaho TOMPO, haveriko amin’ny laoniny toy ny fahiny izany tany izany.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201111 no mbola handrenesana indray ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ny mpampakatra sy ny an’ny ampakarina ary ny feon’izay miteny hoe: Miderà an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, fa tsara Izy, fa, mandrakizay ny famindrampony, dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO; fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany, hoy NY TOMPO. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara11 ny kotaban’ny fety sy ny horakora-pifaliana. Ho re ao indray ny hiran’ny mpanambady; ho re ao indray ny hira manao hoe: Derao ny TOMPOn’izao rehetra izao, fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany. Izany no hiran’ireo mitondra sorom-pisaorana mankao an-tranoko. Eny, hoy Izaho TOMPO, haveriko amin’ny laoniny toy ny fahiny izany tany izany.» Jereo ny tokoBaiboly Katolika11 dia ho re indray ny feo fifaliana amam-peo firavoravoana, ny hiran’ny mpampakatra aman-kiran’ny ampakarina, ny feon’ireo manao hoe: «Miderà an’i Iavehn’ny tafika, fa tsara i Iaveh, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony»; ny feon’ireo tonga hanatitra sorona fisaorana ao an-tranon’i Iaveh. Fa hampodiko indray ireo babo avy amin’ity tany ity, mba ho tahaka ny tamin’ny voalohany indray izy ireo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy11 Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, Dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina Ary ny feon’izay manao hoe: Miderà an’i Jehovah, Tompon’ny maro, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindrampony, Dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon’i Jehovah; Fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany, hoy Jehovah. Jereo ny tokoMalagasy Bible11 Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina ary ny feon'izay manao hoe: Miderà an'i Jehovah, Tompon'ny maro, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon'i Jehovah; Fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany, hoy Jehovah. Jereo ny toko |
Ary niteny indray i Hezekià ka nanao tamin’ny vahoaka hoe: –Ankehitriny ianareo izay vonon-kanao fanomezana ho an’ny TOMPO dia manatòna ary mitondrà sorom-pihavanana sy sorom-pisaorana ho ao an-tranon’ny TOMPO! Dia nitondra biby hatao sorom-pihavanana sy sorom-pisaorana ny vahoaka tafangona; ary izay rehetra malala-tanana dia nitondra sorona dorana manontolo.
Niombona toy ny feo tokana no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, fony izy nidera sy nisaotra ny TOMPO. Ary rehefa nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona mbamin’ny zava-maneno isan-karazany, ka nihira hoe: «Miderà ny TOMPO fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany», dia feno rahona ny tranon’ny TOMPO;
Tamim-pifaliana no nanaovan’ireo Israelita ny fankalazana ny mofo tsy misy leviora nandritra ny fito andro. Fa nampifaly azy tokoa ny TOMPO noho Izy nampiova ny amperôra hamindrafo amin’ny Israelita; izany rahateo no nampahery azy tamin’ny asa momba ny tranon’Andriamanitra, dia Ilay Andriamanitr’i Israely.
Eny, ny TOMPO tokoa no nampahery an’i Tsiôna, nampahery azy teo anivon’ny faharavàny rehetra. Ka izany toerana karankaina izany dia novan’ny TOMPO ho paradisa; ary izany tany ngazana izany dia novany ho zaridaina mahavariana. Fientanentanana sy firavoravoana no ho hita ao ary koa hira fiderana sy feon-java-maneno.
Amin’izay dia ho avy ireo olona avy amin’ny tanànan’i Joda sy ny manodidina an’i Jerosalema mbamin’ny faritanin’i Benjamîna ary koa ireo olona avy eny amin’ny lemak’i Sefelà sy ny tany be tendrombohitra mbamin’ny faritr’i Negeba; ka hankao an-tempoly izy hanolotra sorona dorana manontolo sy sorona hafa, hanolotra fanatitra hanina sy vovo-javamanitra nafangaro ary sorom-pisaorana.
Eny, ao amin’ny faritanin’i Benjamîna sy ao amin’ny manodidina an’i Jerosalema, any amin’ny tanànan’i Joda ary koa any amin’ny tanàna any an-tendrombohitra sy any amin’ny lemak’i Sefelà ary any Negeba, dia hisy fividianana saha indray; hosoratana ny fanekem-pivarotana ka hasiana tombokase ary hiantsoana vavolombelona, satria haveriko amin’ny laoniny. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.