Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 33:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Izao no lazain’ny TOMPO: «Ianareo vahoakan’i Joda dia mamerimberina hoe rava ny taninay ka tsy ahitana olona na biby fiompy intsony. Marina tokoa fa ny tanànan’i Joda sy ny lalamben’i Jerosalema dia foana ka tsy ahitana olona na biby fiompy monina ao intsony. Kanefa amin’izany toerana izany no mbola handrenesana indray

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Izao no lazain’NY TOMPO: Eto amin’ity tany ity izay ataonareo hoe rava ka tsy misy olona na biby fiompy intsony, dia eto amin’ny tanànan’ny Joda sy ao amin’ny lalamben’i Jerosalema izay efa lao ka tsy misy olona na mponina na biby fiompy,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Izao no lazain’ny TOMPO: «Ianareo vahoakan’i Joda dia mamerimberina hoe rava ny taninay ka tsy ahitana olona na biby fiompy intsony. Marina tokoa fa ny tanànan’i Joda sy ny lalamben’i Jerosalema dia foana ka tsy ahitana olona na biby fiompy monina ao intsony. Kanefa amin’izany toerana izany no mbola handrenesana indray

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Izao no lazain’i Iaveh: Eto amin’ity tany ity, izay lazainareo hoe; «Efitra tsy misy olona na biby», eo amin’ny tanànan’i Jodà, mbamin’ny araben’i Jerosalema, izay efa lao monina tsy misy olona, na mponina, na biby,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Izao no lazain’i Jehovah: Mbola ho re indray eto amin’ity tany ity, Izay ataonareo hoe Rava, ka tsy misy olona na biby fiompy intsony– Dia eto amin’ny tanànan’ny Joda sy ao amin’ny làlamben’i Jerosalema izay efa lao, Ka tsy misy olona na mponina na biby fiompy–

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Izao no lazain'i Jehovah: Mbola ho re indray eto amin'ity tany ity, izay ataonareo hoe Rava, ka tsy misy olona na biby fiompy intsony dia eto amin'ny tanànan'ny Joda sy ao amin'ny lalamben'i Jerosalema izay efa lao, ka tsy misy olona na mponina na biby fiompy

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Izao no lazain’NY TOMPO: Eto amin’ity tany ity izay ataonareo hoe rava ka tsy misy olona na biby fiompy intsony, dia eto amin’ny tanànan’ny Joda sy ao amin’ny lalamben’i Jerosalema izay efa lao ka tsy misy olona na mponina na biby fiompy,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 33:10
9 Rohy Ifampitohizana  

Izy no manamafy ny hidim-bavahadinao, mitahy ny zanakao ao anatinao,


Tsy hovelominao indray ve izahay mba hifalianay vahoakanao aminao?


Ahoana no ahasahianao milaza amin’ny anaran’ny TOMPO fa horavana tahaka ny tao Silao ity trano ity, ary ho simba sady tsy hisy mponina ity tanàna ity? Tamin’izay dia nitangorona hamely an’i Jeremià izay rehetra teo an-kianjan’ny tranon’ny TOMPO.


Ankehitriny anefa, na eo aza izany, Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely dia mbola manan-teny momba ity tanàna ity izay voalazanao sy voalazan’ny hafa hoe natolotra teo an-tanan’i Nebokadnetsara tamin’ny alalan’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana.


Hisy fividianana saha indray eto amin’ity tany ity izay lazainao hoe lao tsy misy olona na biby fiompy intsony fa efa natolotra an’i Nebokadnetsara.


saingy hasaiko hiverina hanafika ity tanàna ity indray izy, ka hahafaka sy handoro azy. Ary ireo tanànan’i Joda dia hataoko lao tsy hisy mponina; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Ary hoy indray ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ireo taola-maina ireo dia sarin’ny vahoaka israelita rehetra. Fa hoy ny Israelita hoe: ‹Tahaka ny taola-maina izahay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay.›


Hataoko tonga lao ny taninareo ka ho talanjon’izany ireo fahavalonareo, dia ireo fahavalo hiorim-ponenana ao.


–Moa ve fotoana tokony hipetrahanareo amina trano voaravaka zava-tsarobidy ankehitriny, kanefa rava ity tempoly ity?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra