Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 33:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Ary hahafaly Ahy ny hanonona ny anaran’i Jerosalema, ka ho voninahitro sy haingoko eo imason’ny firenen-kafa rehetra ambonin’ny tany izy. Ary rehefa handre ny soa rehetra izay hataoko amin’i Jerosalema, ireo firenena ireo, dia hangovitry ny tahotra manoloana ny soa rehetra sy ny fiadanam-be izay hataoko aminy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ary ho anarana mahafaly Ahy izany sady ho dera sy voninahitra ho an’ny firenena rehetra ambonin’ny tany izay handre ny soa rehetra hataoko aminy; dia hatahotra sy hangovitra izy noho ny soa rehetra sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ary hahafaly Ahy ny hanonona ny anaran’i Jerosalema, ka ho voninahitro sy haingoko eo imason’ny firenen-kafa rehetra ambonin’ny tany izy. Ary rehefa handre ny soa rehetra izay hataoko amin’i Jerosalema, ireo firenena ireo, dia hangovitry ny tahotra manoloana ny soa rehetra sy ny fiadanam-be izay hataoko aminy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Ary ny anaran’ity tanàna ity ho Ahy dia ho anaram-pifaliana sy fiderana amam-boninahitra, any amin’ny firenen-drehetra ambonin’ny tany, izay handre ny soa rehetra hataoko aminy; ho raiki-tahotra sy hangovitra ireny, mahita ny fiadanana amam-panambinana rehetra homeko azy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary ho anarana mahafaly Ahy izany Sady ho dera sy voninahitra ho an’ny firenena rehetra ambonin’ny tany, Izay handre ny soa rehetra ataoko aminy; Dia hatahotra sy hangovitra izy noho ny soa rehetra Sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary ho anarana mahafaly Ahy izany sady ho dera sy voninahitra ho an'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, izay handre ny soa rehetra ataoko aminy; Dia hatahotra sy hangovitra izy noho ny soa rehetra sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 33:9
40 Rohy Ifampitohizana  

Ary azon’ny tahotra an’Andriamanitra ny fanjakana rehetra manodidina, rehefa nandre fa ny TOMPO no niady tamin’ny fahavalon’i Israely.


Rehefa ren’ny fahavalonay tamin’ny firenena manodidina rehetra izany, dia raiki-tahotra ry zareo sady nahatsapa ny maha tsinontsinona azy. Ary niaiky ireo fahavalonay fa ilay Andriamanitray no nahavitana izany asa izany.


Isam-paritany sy isan-tanàna nahatongavan’ny teny aman-didin’ny amperôra, dia ravoravo sy heni-kafaliana ny Jiosy ary nanao fanasana sy lanonana. Maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nanindry azy ny fahatahorana ny Jiosy.


Kanefa ao aminao ny famelana mba hanajan’ny olona Anao.


nosintoniny avy tao an-davaka lalina aho, nakariny avy tao amin’ny fota-mandrevo; ny tongotro najorony tambony vatolampy ka indro azo antoka sy matotra ny diako.


dia ilay vahoaka noforoniko ho Ahy ka hitantara ny antony hiderany Ahy.»


Ny hazo kipreso no haniry ho solon’ny tsilo, ary ny rotra no haniry ho solon’ny amiana. Ho voninahitra ho an’ny TOMPO izany, ka ho famantarana tsy hokosehina na oviana na oviana ny amin’izay nataony ho anareo.»


Ho miramirana ianao hahita izany ka ho tohina mafy sy hibita-kafaliana ny fonao, fa ny haren’ny ranomasina hoentina eo aminao ary ny fananan’ny firenen-kafa hatolotra anao.


Tsy hangina aho noho ny fitiavako anao, ry Tsiôna ô, ary tsy hitsaha-miteny aho noho ny fitiavako anao, ry Jerosalema, mandra-piposaky ny fanafahana anao ho tahaka ny masoandro mamiratra, ary mandra-pibaliaky ny famonjena anao ho tahaka ny fanilo mirehitra.


Ny besinimaro, na ianareo na iretsy, dia hantsoina hoe «ilay vahoaka masina», «ireo olona navotan’ny TOMPO»; ary ianao, ry Jerosalema, dia hatao hoe: «ilay irîna», «ilay tanàna tsy foy.»


Ianao tsy hatao intsony hoe «ilay tanàna nafoy» ary ny taninao tsy hatao intsony hoe «ilay tany lao»; fa ianao dia hantsoina hoe «ilay sitraky ny TOMPO», ary ny taninao hatao hoe «ilay vady ampakarina.» Satria ho sitraky ny Tompo ianao ary ny taninao hanana vady mpampakatra.


Aza avela hitsahatra Izy mandra-panarenany azy indray ka hametrahany an’i Jerosalema ho voninahitra manerana ny tany.»


rehefa nanao zava-mahatahotra izay tsy nampoizinay akory Ianao. Eny, hidina tokoa Ianao, Tompo ô, ka hihorohoro eo anatrehanao ny tendrombohitra.


Toy ny amatoran’ny olona ny fehikibo amin’ny kibony, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, no nifatorako tamin’ny vahoakan’i Israely sy ny vahoakan’i Joda rehetra mba hahatonga azy ho vahoakako sy ho lazako, ho voninahitro sy ho firavako. Kanjo tsy nety nihaino Ahy izy.»


–TOMPO ô, Ianao no heriko sady mpiaro ahy, fialofako amin’ny androm-pahoriako. Hankany aminao ireo firenen-kafa avy any am-paran’ny tany sady ho loa-bolana hoe: «Tena fitaka ny fivavahana izay nolovanay tamin’ny razanay, fa tsinontsinona sady tsy mahasoa.


Fa hojereko am-pitiavana izy ka hampodîko amin’ity tany ity. Haoriko indray izy ka tsy horavako intsony, hamboleko indray ka tsy hongotako intsony.


Fa raha tsy mihaino ianareo, dia horavako tahaka ny nandravako ilay tao Silao ity trano ity; ary ny tanànan’i Jerosalema dia hataoko oha-panozonana any amin’ny firenena rehetra eran-tany.»›


Nandefa taratasy avy tao Jerosalema i Jeremià mpaminany ho an’ireo loholona rehetra sy mpisorona ary mpaminany mbamin’ireo vahoaka rehetra izay nentin’i Nebokadnetsara ho babo avy tao Jerosalema hankany Babilôna. Ny nandefasana io taratasy io


Amin’izany fotoana izany i Jerosalema dia hantsoina hoe «Sezafiandrianan’ny TOMPO». Hivory ao ny firenena rehetra hanome voninahitra Ahy TOMPO sady tsy hanaraka intsony ny ditran’ny fony ratsy.


Hoy Aho anakampo hoe: Ahoana raha ataoko lohalaharana amin’ireo zanako lahy ianao ka homeko tany mahafinaritra izay fananana tsara indrindra eo amin’ny samy firenena? Amin’izay dia hiantso Ahy ho rainao ianao ka tsy hiodina amiko intsony.


Hovokisako zava-matavy ny mpisorona ary hofenoiko zava-tsoa ny vahoakako.


Haoriko indray ianao, ry Israely mamiko, ka ho voaorina; hiravahanao indray ny ampongatapakao hanentananao ireo mpandihy mitotorebika.


Izao ihany koa no lazaiko: Izaho TOMPO no nahatonga izao loza lehibe rehetra manjo ny vahoakan’i Joda izao. Ary mbola Izaho ihany no hahatonga eo aminy ny soa rehetra izay efa nampanantenaiko azy.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Indro avy ny andro izay hanatanterahako ny zava-tsoa nampanantenaiko ny vahoakan’i Israely sy ny vahoakan’i Joda.


Raha araka ny rariny sy ny hitsiny ary ny marina no hanaovanao fianianana hoe: «Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa...», dia ny firenen-kafa koa hangataka hotahîko sady hanao Ahy ho reharehany.


Moa mitady hampahasosotra Ahy va ianareo amin’ny asan-tananareo sy ny fanoloranareo sorona ho an’ireo andriamani-kafa ao amin’ny tany Ejipta izay ialokalofanareo? Sa tianareo haringana ny tenanareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana any amin’ny firenen-kafa rehetra eran-tany!


Ahoana re no dia ilaozana ity tanàna malaza sady tanànam-pifaliana ity!


Hampidiniko any an-davaka misy ireo maty hatrizay ianao. Hamponeniko any ambanin’ny tany tahaka ireo sisan-drava fahagola ianao miaraka amin’ireo maty talohanao. Tsy ho afa-miakatra intsony ianao, ary tsy hanan-toerana eo amin’ny tanin’ny velona intsony.


Dia holazainy hoe: ‹Nanjary toy ny zaridainan’i Hedèna ity ilay tany efa lavavolo. Ireo tanàna efa tonga korontam-bato sady foana sy rava dia voamboatra sy misy mponina indray.


Ny mponina rehetra amin’izany faritra izany dia hifarimbona handevina azy ao avokoa; ary ho rehareha ho azy izany amin’ny andro hanehoako ny voninahitro; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Aorian’izany ny Israelita dia hitady indray ny TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, ka hiverina amin-kovitra amin’ny TOMPO sy ireo zava-tsoany amin’ny hoavy.


Avy eo ilay anjely dia nandidy ahy hanambara koa hoe: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Mbola hihoa-pampana indray ny fanambinana ireo tanànako; sady Izaho TOMPO mihitsy no mbola hampionona an’i Tsiôna indray ary mbola hifidy an’i Jerosalema indray.»


–Indro Aho hanao an’i Jerosalema ho tsatokaty feno ny divaim-pahatezerako, ka hahafanina ny firenena rehetra manodidina. Ary hahafanina an’i Joda koa izany, rehefa ho voafahirano i Jerosalema.


mba hampidiriny ao amin’ny tany izay fananan’ny razambenareo ka ho fanananareo koa. Hanisy soa anareo ny TOMPO Andriamanitrareo ary hahamaro isa anareo, mihoatra noho ny nataony tamin’ny razambenareo;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra