Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 33:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Izao koa no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Eto amin’ity toerana rava ka tsy ahitana olona na biby fiompy ity sy amin’ny tanànany rehetra dia hisy faritra hampandrian’ireo mpiandry ondry ny biby fiompiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Eto amin’ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity sy amin’ny tanànany rehetra dia mbola hisy fonenan’ny mpiandry ondry hampandriany ny ondry aman’osiny,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Izao koa no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Eto amin’ity toerana rava ka tsy ahitana olona na biby fiompy ity sy amin’ny tanànany rehetra dia hisy faritra hampandrian’ireo mpiandry ondry ny biby fiompiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Eto amin’ity fitoerana ity, izay efitra tsy misy olona na biby, sy eo amin’ny tanànany rehetra dia hisy fialofana ho an’ny mpiandry biby, hampandriany eo ny biby fiompiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Eto amin’ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity Sy amin’ny tanànany rehetra Dia mbola hisy fonenan’ny mpiandry ondry Hampandriany ny ondry aman-osiny,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Eto amin'ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity sy amin'ny tanànany rehetra dia mbola hisy fonenan'ny mpiandry ondry hampandriany ny ondry aman'osiny,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Eto amin’ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity sy amin’ny tanànany rehetra dia mbola hisy fonenan’ny mpiandry ondry hampandriany ny ondry aman’osiny,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 33:12
17 Rohy Ifampitohizana  

Ambarao ahy, ry ilay tiako, izay iandrasanao ny ondrinao sy izay ampialanao sasatra azy rehefa mitataovovonana mba tsy hivezivezeko hitady anao eny amin’ny andiam-bibin’ireo namanao.


Ho an’ny vahoakako izay nitady Ahy dia hanjary saha fiandrasana ondry i Sarôna, ary hanjary valan’omby ny lohasaha Hakôra.


Amin’izay dia ho avy ireo olona avy amin’ny tanànan’i Joda sy ny manodidina an’i Jerosalema mbamin’ny faritanin’i Benjamîna ary koa ireo olona avy eny amin’ny lemak’i Sefelà sy ny tany be tendrombohitra mbamin’ny faritr’i Negeba; ka hankao an-tempoly izy hanolotra sorona dorana manontolo sy sorona hafa, hanolotra fanatitra hanina sy vovo-javamanitra nafangaro ary sorom-pisaorana.


Ho avy ireo ka hanao horakora-pifaliana ao amin’ny havoanan’i Tsiôna; ho miramirana endrika izy amin’ny zava-tsoa homen’ny TOMPO: dia ny vary sy divay vaovao ary diloilo, mbamin’ny ondry sy osy ary omby. Ho velombelona toy ny saha vonton-drano izy ka tsy mba hihamalazo intsony.


«Amin’izay ny olona tambanivohitra sy an-tanàn-dehibe ao Joda dia hiara-monina eo amin’ny tany, isan’izany ireo tantsaha sy ireo mpiompy mifindrafindra lasy miaraka amin’ny biby fiompiny.


Fa izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Mbola hisy trano sy saha ary tanimboaloboka hovidina indray amin’ity tany ity.


Avy eo ny amin’i Jôiakima, mpanjakan’i Joda, dia hataonao hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Nosoratan’i Jeremià tamin’ny horonan-taratasy fa tsy maintsy ho avy ny mpanjakan’i Babilôna, ka handrava ity tany ity ary handringana ny olona sy ny biby fiompy eo; kanefa nanakiana azy i Jôiakima sady nandoro ny horonan-taratasy.


Andian’ondry very ny vahoakako fa ny mpiandriny no nandiso lalana azy, ka nampirenireny azy teny an-tendrombohitra. Nifindrafindra tendrombohitra sy havoana izy ka nanadino ny vala fandriany.


avy eo dia milazà hoe: ‹Ny tenanao mihitsy, TOMPO ô, no niteny taminay fa handringana ity tanàna ity ka tsy hisy hitoetra eto intsony na olona na biby fa fahonenana mandrakizay izy.›


Dia holazainy hoe: ‹Nanjary toy ny zaridainan’i Hedèna ity ilay tany efa lavavolo. Ireo tanàna efa tonga korontam-bato sady foana sy rava dia voamboatra sy misy mponina indray.


–Moa ve fotoana tokony hipetrahanareo amina trano voaravaka zava-tsarobidy ankehitriny, kanefa rava ity tempoly ity?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra