2Tantara 7:3 - DIEM PROTESTANTA3 Nony hitan’ny Israelita rehetra kosa ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitry ny TOMPO teo amin’ny tempoly, dia niankohoka nitehina ny lampivato izy ka nitsaoka ny TOMPO sy nidera Azy hoe: «Eny, tsara Izy sady maharitra mandrakizay ny fitiavany». Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20113 Nony hitan’ny Zanak’Israely rehetra ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitry NY TOMPO teo ambonin’ny Trano dia niankohoka tamin’ny lampivato izy ka nivavaka sy nidera NY TOMPO fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara3 Nony hitan’ny Israelita rehetra kosa ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitry ny TOMPO teo amin’ny tempoly, dia niankohoka nitehina ny lampivato izy ka nitsaoka ny TOMPO sy nidera Azy hoe: «Eny, tsara Izy sady maharitra mandrakizay ny fitiavany». Jereo ny tokoBaiboly Katolika3 Nahita ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitr’i Iaveh teo ambonin’ny trano ny zanak’i Israely rehetra, ka niankohoka tamin’ny tany tamin’ny lampivato, niankohoka nidera an’i Iaveh nanao hoe: «Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy3 Ary nony hitan’ny Zanak’Isiraely rehetra ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitr’i Jehovah teo ambonin’ny trano, dia niankohoka tamin’ny lampivato izy ka nivavaka sy nidera an’i Jehovah, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony. Jereo ny tokoMalagasy Bible3 Ary nony hitan'ny Zanak'Isiraely rehetra ny nilatsahan'ny afo sy ny voninahitr'i Jehovah teo ambonin'ny trano, dia niankohoka tamin'ny lampivato izy ka nivavaka sy nidera an'i Jehovah, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache3 Nony hitan’ny Zanak’Israely rehetra ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitry NY TOMPO teo ambonin’ny Trano dia niankohoka tamin’ny lampivato izy ka nivavaka sy nidera NY TOMPO fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony. Jereo ny toko |
Niombona toy ny feo tokana no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, fony izy nidera sy nisaotra ny TOMPO. Ary rehefa nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona mbamin’ny zava-maneno isan-karazany, ka nihira hoe: «Miderà ny TOMPO fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany», dia feno rahona ny tranon’ny TOMPO;
ny kotaban’ny fety sy ny horakora-pifaliana. Ho re ao indray ny hiran’ny mpanambady; ho re ao indray ny hira manao hoe: Derao ny TOMPOn’izao rehetra izao, fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany. Izany no hiran’ireo mitondra sorom-pisaorana mankao an-tranoko. Eny, hoy Izaho TOMPO, haveriko amin’ny laoniny toy ny fahiny izany tany izany.»