Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 5:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Niombona toy ny feo tokana no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, fony izy nidera sy nisaotra ny TOMPO. Ary rehefa nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona mbamin’ny zava-maneno isan-karazany, ka nihira hoe: «Miderà ny TOMPO fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany», dia feno rahona ny tranon’ny TOMPO;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 ary toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira raha nidera sy nisaotra NY TOMPO izy ireo; nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona ary ny zavamaneno isan-karazany ka nidera NY TOMPO fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony, dia feno rahona ny Trano, dia ny tranon’NY TOMPO;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Niombona toy ny feo tokana no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, fony izy nidera sy nisaotra ny TOMPO. Ary rehefa nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona mbamin’ny zava-maneno isan-karazany, ka nihira hoe: «Miderà ny TOMPO fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany», dia feno rahona ny tranon’ny TOMPO;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 nony niray feo hankalaza sy hidera an’i Iaveh ireo nitsoka ny trômpetra sy ireo nihira, ka nampaneno ny feon’ny trômpetra aman-kipantsona mbamin’ny zava-maneno ka nankalaza an’i Iaveh amin’ny teny hoe: «Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony», tamin’izay dia tonga feno rahona anankiray ny trano, dia ny tranon’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an’i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an’i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony, dia feno rahona ny tranon’i Jehovah;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 ary efa toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, raha nidera sy nisaotra an'i Jehovah izy; ka nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona sy ny zava-maneno isan-karazany ka nidera an'i Jehovah fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia feno rahona ny tranon'i Jehovah;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 ary toy ny feo iray no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira raha nidera sy nisaotra NY TOMPO izy ireo; nony nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona ary ny zavamaneno isan-karazany ka nidera NY TOMPO fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindrampony, dia feno rahona ny Trano, dia ny tranon’NY TOMPO;

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 5:13
32 Rohy Ifampitohizana  

Nisy levita sasany notendren’i Davida ho amin’ny fanompoana teo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO mba hampahatsiaro sy hidera ary hanome voninahitra ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.


Rehefa niara-nidinika tamin’ny vahoaka i Jôsafata, dia nanendry mpihira hialoha ny tafika, ka hanao fanamiana masina sady hidera ny TOMPO hanao hoe: «Miderà ny TOMPO ianareo; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!»


Raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo mpihira, dia nataon’ny Tompo nisy fifanjevoana teo amin’ny Hamônita sy Môabita ary Edômita izay tonga hanafika ny Jodeanina, ka dia nifamely ireo.


Rehefa vitan’i Salômôna izany vavaka izany, dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra sy nandevona ny sorona dorana manontolo mbamin’ny sorom-pihavanana, ka feno ny voninahitry ny TOMPO ny tempoly.


Ary tsy afa-niditra tao an-tranon’ny TOMPO ireo mpisorona, satria feno ny voninahitry ny TOMPO izany.


Nony hitan’ny Israelita rehetra kosa ny nilatsahan’ny afo sy ny voninahitry ny TOMPO teo amin’ny tempoly, dia niankohoka nitehina ny lampivato izy ka nitsaoka ny TOMPO sy nidera Azy hoe: «Eny, tsara Izy sady maharitra mandrakizay ny fitiavany».


Samy nanao ny anjara raharahany avy ny mpisorona fa ny levita kosa nisahana ny zava-maneno masina izay nampamboarin’i Davida mpanjaka mba hiderana ny TOMPO hoe: «Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!», araka ny hira fiderana nasain’i Davida nataony. Dia nisy koa mpisorona nitsoka trômpetra tetsy andaniny; ary ny vahoaka israelita rehetra teo dia nitsangana avokoa.


Dia nidera sy nisaotra ny TOMPO ireto terak’i Asafa ka nanao hira nifamalivaly hoe: «Tsara ny Tompo, ary maharitra mandrakizay ny fitiavany an’i Israely!» Nihoby mafy koa ny vahoaka rehetra raha nidera ny TOMPO, satria vita ny fototry ny tranon’ny TOMPO.


Rehefa hotokanana ny mandan’i Jerosalema, dia nantsoina avy tamin’ny toeram-ponenany rehetra ny levita; nasaina ho tonga any Jerosalema ry zareo mba hanao ny fitokanana amim-pifaliana, ombàn’ny hira fiderana arahin’ny kipantsona sy valiha ary lokanga.


Eny, tsara ny TOMPO: maharitra mandrakizay ny fitiavany ary mahatoky hatrany hatrany Izy.


Haleloià! Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!


Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!


Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!


Miderà Azy amin’ny fitsofana anjomara, Miderà Azy amim-baliha sy lokanga.


Miderà Azy amin’ny kipantsona madinika, Miderà Azy amin’ny kipantsona vaventy.


Kanefa mipetraka an-tsezafiandrianana Ianao, ry ilay Andriamanitra masina Izay fidèran’i Israely vahoakanao.


Manaova hobim-pifaliana ho an’Andriamanitra herintsika, ankalazao ny Andriamanitr’i Jakôba.


«Eo amin’io toerana io no hihaonako amin’ny Israelita, ka ny voninahitro hanome hasina izany.


Injany ny feon’ireo napetrakao ho mpitily! Manandra-peo izy ka miara-mihorakoraka-pifaliana, satria mahita maso ny fiverenan’ny TOMPO ao Tsiôna.


Hataoko iray fo sy iray hevitra izy mba hanaja Ahy hatrany hatrany, hahasoa azy sy ny taranany mandimby azy.


ny kotaban’ny fety sy ny horakora-pifaliana. Ho re ao indray ny hiran’ny mpanambady; ho re ao indray ny hira manao hoe: Derao ny TOMPOn’izao rehetra izao, fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany. Izany no hiran’ireo mitondra sorom-pisaorana mankao an-tranoko. Eny, hoy Izaho TOMPO, haveriko amin’ny laoniny toy ny fahiny izany tany izany.»


Iray fo sy fanahy tokoa ireo mpino marobe ary tsy nisy nilaza ny fananany ho azy samirery, fa niara-nanana ny zavatra rehetra.


Ka mba hiray feo ianareo hiara-manome voninahitra an’Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika.


Ary ny tempoly dia feno setroka avy amin’ny voninahitr’Andriamanitra sy ny heriny; ka tsy nisy afaka niditra tao amin’ny tempoly, mandra-pahatapitry ny loza fito nentin’ny anjely fito.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra