Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 5:14 - DIEM PROTESTANTA

14 ka tsy nahajanona hanohy fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho izany rahona izany, satria feno ny voninahitry ny TOMPO ilay tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 koa tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitry NY TOMPO ny tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 ka tsy nahajanona hanohy fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho izany rahona izany, satria feno ny voninahitry ny TOMPO ilay tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Ka tsy afa-nijanona tao hanao ny fanompoana ireo mpisorona, noho ny rahona, fa nameno ny tranon’Andriamanitra ny voninahitr’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr’i Jehovah ny tranon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona; fa feno ny voninahitr'i Jehovah ny tranon'Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 5:14
10 Rohy Ifampitohizana  

ka tsy nahajanona hanohy fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho izany rahona izany, satria feno ny voninahitry ny TOMPO ilay tranony.


ka nivavaka nanao hoe: –Ry TOMPO Andriamanitry ny razanay ô, Ianao tokoa no Andriamanitra any an-danitra. Ianao no mifehy ny fanjakana rehetra eo amin’ny firenena isan-tokony, ary eo an-tananao ny hery amam-pahefana ka tsy misy mahatohitra Anao.


Rehefa vitan’i Salômôna izany vavaka izany, dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra sy nandevona ny sorona dorana manontolo mbamin’ny sorom-pihavanana, ka feno ny voninahitry ny TOMPO ny tempoly.


Ary tsy afa-niditra tao an-tranon’ny TOMPO ireo mpisorona, satria feno ny voninahitry ny TOMPO izany.


«Eo amin’io toerana io no hihaonako amin’ny Israelita, ka ny voninahitro hanome hasina izany.


noho izany, dia tsy afaka niditra tao amin’ny Tranolay fihaonana i Mosesy.


Niakatra avy eo ambonin’ny kerobima hankeny amin’ny tokonam-baravaran’ny tempoly ny voninahitry ny TOMPO. Koa nanjary feno raho-matevina ny tempoly; ary ny kianja kosa dia namirapiratry ny voninahitry ny TOMPO.


Izy ihany no tsy mety maty, mitoetra ao amin’ny hazavana tsy hay akaikezina; tsy misy olombelona nahita maso Azy hatrizay hatrizay, ary tsy misy afaka hahita maso Azy; ho Azy anie ny haja sy ny fanjakana mandrakizay! Amen.


Ary ny tempoly dia feno setroka avy amin’ny voninahitr’Andriamanitra sy ny heriny; ka tsy nisy afaka niditra tao amin’ny tempoly, mandra-pahatapitry ny loza fito nentin’ny anjely fito.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra