Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 15:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Dia notendren’ny levita i Hemàna zanakalahin’i Jôela, sy i Asafa zanakalahin’i Berekià sady naman’i Hemàna, ary i Etàna zanakalahin’i Kosaià avy amin’ny fokon’i Merarỳ sady naman-dry i Hemàna sy i Asafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Dia notendren’ny levita i Hemana, zanak’i Joela; tamin’ny rahalahiny dia i Asafa, zanak’i Berekia; tamin’ny taranak’i Merary rahalahiny dia i Etana, zanak’i Kosaia;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Dia notendren’ny levita i Hemàna zanakalahin’i Jôela, sy i Asafa zanakalahin’i Berekià sady naman’i Hemàna, ary i Etàna zanakalahin’i Kosaià avy amin’ny fokon’i Merarỳ sady naman-dry i Hemàna sy i Asafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Ka dia notendren’ny Levita i Hemàna zanak’i Joela, ary tamin’ireo rahalahiny i Asafa zanak’i Barakiasa; tamin’ny taranak’i Merarì rahalahiny, i Etana zanak’i Kôsaià;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ka dia notendren’ny Levita Hemana, zanak’i Joela; ary tamin’ny rahalahiny dia Asafa, zanak’i Berekia; ary tamin’ny taranak’i Merary rahalahiny dia Etana, zanak’i Kosaia;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ka dia notendren'ny Levita Hemana, zanak'i Joela; ary tamin'ny rahalahiny dia Asafa, zanak'i Berekia; ary tamin'ny taranak'i Merary rahalahiny dia Etana, zanak'i Kosaia;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Dia notendren’ny levita i Hemana, zanak’i Joela; tamin’ny rahalahiny dia i Asafa, zanak’i Berekia; tamin’ny taranak’i Merary rahalahiny dia i Etana, zanak’i Kosaia;

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 15:17
15 Rohy Ifampitohizana  

Miaraka amin’izy telo lahy, amin’ny laharana faharoa, ireto mpiandry vavahady namany ireto: dia i Zakarià zanakalahin’i..., i Jahaziela sy i Semiramôta, i Jehiela sy i Honỳ, i Eliaba sy i Benaià, i Mahaseià sy i Matitià, i Elifalà sy i Mikneià, i Hôbeda-Edôma sy i Jehiela ary i Hazazià.


I Hemàna sy i Asafa ary i Etàna mpiventy hira dia nively ny kipantsona varahina;


Niaraka tamin’ny mpisorona ry i Hemàna sy i Jedotòna ary ireo sisa voafidy sy voatondro anarana mba hidera ny TOMPO noho ny fitiavany maharitra mandrakizay.


Niaraka tamin’i Hemàna sy i Jedotòna, dia nisy trompetra sy kipantsona natao hampanenoina ary zava-maneno hafa natao hanarahana ny hira ho an’Andriamanitra; ary ny zanakalahin’i Jedotòna no mpiandry vavahady.


Ireto àry no mpanatontosa izany fanompoana izany ombàn’ny antokom-pihirany: Avy amin’ny taranak’i Kehata: i Hemàna mpiventy hira, zanakalahin’i Jôela sy zafin’i Samoela


Teo ankavanan’i Hemàna no nipetrahan’i Asafa mpiventy hira namany. I Asafa dia zanakalahin’i Berekià sy zafin’i Simehà


Teo ankavian’i Hemàna kosa i Etàna mpiventy hira naman-dry i Hemàna sy i Asafa. Avy amin’ny taranak’i Merarỳ izy, fa zanakalahin’i Kisy sy zafin’i Habdỳ sy zafiafin’i Malòka


Ary ny levîta naman’ireo no nanankinana ny fanompoana hafa rehetra momba ny Tranolay fihaonana, tao an-tranon’Andriamanitra.


Ireto no fonenan’ny taranak’i Levỳ, araka ny toerana nisy azy tao amin’ny zara taniny avy. Ny taranak’i Aharôna, avy amin’ny tarik’i Kehata, no voatendrin’ny antsapaka ho voalohany,


Salamo nataon’i Asafa . Ny TOMPO Andriamanitra Avo Indrindra no miteny ka miantso ny olona eran’ny tany, dia hatreo amin’izay iposahan’ny masoandro ka hatrany amin’izay ilentehany.


Salamo nataon’i Asafa . Tsara mihitsy Andriamanitra amin’i Israely, dia amin’izay rehetra madio fo.


Tononkira. Salamo nataon’i Asafa.


I Jôela no anaran-janany lahimatoa ary i Abià no anaran’ny zandriny; tany Beèra-Sèba izy ireo no nanao ny asa maha mpitondra azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra