1Tantara 16:42 - DIEM PROTESTANTA42 Niaraka tamin’i Hemàna sy i Jedotòna, dia nisy trompetra sy kipantsona natao hampanenoina ary zava-maneno hafa natao hanarahana ny hira ho an’Andriamanitra; ary ny zanakalahin’i Jedotòna no mpiandry vavahady. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201142 Tao amin’i Hemana sy i Jedotona dia nisy trompetra sy kipantsona natao hampanenoina; tao koa ireo karazavan-javamaneno hanaraka ny hira ho an’Andriamanitra. Ny zanak’i Jedotona no mpiandry varavarana. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara42 Niaraka tamin’i Hemàna sy i Jedotòna, dia nisy trompetra sy kipantsona natao hampanenoina ary zava-maneno hafa natao hanarahana ny hira ho an’Andriamanitra; ary ny zanakalahin’i Jedotòna no mpiandry vavahady. Jereo ny tokoBaiboly Katolika42 Niaraka tamin’ireo, dia niaraka tamin’i Hemàna sy i Iditona, dia nisy anjomara aman-kipantsona ho an’ireo tsy maintsy mampaneno azy, mbamin’ny zava-maneno hampiarahina amin’ny hiran’Andriamanitra. Ny zanak’i Iditona niadidy ny varavarana. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy42 Ary tao amin’i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an’izay mampaneno ary ny fomban’ny zava-manenon’Andriamanitra. Ary ny zanak’i Jedotona no mpiandry varavarana. Jereo ny tokoMalagasy Bible42 Ary tao amin'i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an'izay mampaneno ary ny fomban'ny zava-manenon'Andriamanitra. Ary ny zanak'i Jedotona no mpiandry varavarana. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache42 Tao amin’i Hemana sy i Jedotona dia nisy trompetra sy kipantsona natao hampanenoina; tao koa ireo karazavan-javamaneno hanaraka ny hira ho an’Andriamanitra. Ny zanak’i Jedotona no mpiandry varavarana. Jereo ny toko |
Niombona toy ny feo tokana no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, fony izy nidera sy nisaotra ny TOMPO. Ary rehefa nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona mbamin’ny zava-maneno isan-karazany, ka nihira hoe: «Miderà ny TOMPO fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany», dia feno rahona ny tranon’ny TOMPO;
Samy nanao ny anjara raharahany avy ny mpisorona fa ny levita kosa nisahana ny zava-maneno masina izay nampamboarin’i Davida mpanjaka mba hiderana ny TOMPO hoe: «Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!», araka ny hira fiderana nasain’i Davida nataony. Dia nisy koa mpisorona nitsoka trômpetra tetsy andaniny; ary ny vahoaka israelita rehetra teo dia nitsangana avokoa.