Nolavin’i Davida ny hamindra ny Vatamasin’ny TOMPO ho any aminy, any an-tanànan’i Davida; fa naviliny kosa izany ho ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma, lehilahy avy any Gàta.
1Tantara 15:18 - DIEM PROTESTANTA Miaraka amin’izy telo lahy, amin’ny laharana faharoa, ireto mpiandry vavahady namany ireto: dia i Zakarià zanakalahin’i..., i Jahaziela sy i Semiramôta, i Jehiela sy i Honỳ, i Eliaba sy i Benaià, i Mahaseià sy i Matitià, i Elifalà sy i Mikneià, i Hôbeda-Edôma sy i Jehiela ary i Hazazià. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 naman’ireo ihany koa ny rahalahiny manarakaraka, dia i Zakaria, i Bena, i Jaziela, i Semiramota, i Jehiela, i Ony, i Eliaba, i Benaia, i Mahaseia, i Matitia, i Elifeleho, i Mikneia, i Obeda-Edoma ary i Jeiela, mpiandry varavarana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Miaraka amin’izy telo lahy, amin’ny laharana faharoa, ireto mpiandry vavahady namany ireto: dia i Zakarià zanakalahin’i..., i Jahaziela sy i Semiramôta, i Jehiela sy i Honỳ, i Eliaba sy i Benaià, i Mahaseià sy i Matitià, i Elifalà sy i Mikneià, i Hôbeda-Edôma sy i Jehiela ary i Hazazià. Baiboly Katolika naman’ireo ny rahalahiny, amin’ny ambaratonga faharoa: i Zakaria, i Bena, i Jaziela, i Semiramôta, i Jahiela, i Anì, i Eliaba, i Banaiasa, i Maasiasa, i Matatiasa, i Elifalò, i Maseniasa, i Obededôma, ary i Jehiela, mpiandry varavarana. Baiboly Protestanta Malagasy ary naman’ireo ihany koa ny rahalahiny manarakaraka, dia Zakaria sy Bena sy Jaziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Benaia sy Mahaseia sy Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma ary Jeiela, mpiandry varavarana. Malagasy Bible ary naman'ireo ihany koa ny rahalahiny manarakaraka, dia Zakaria sy Bena sy Jaziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Benaia sy Mahaseia sy Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma ary Jeiela, mpiandry varavarana. La Bible en Malgache naman’ireo ihany koa ny rahalahiny manarakaraka, dia i Zakaria, i Bena, i Jaziela, i Semiramota, i Jehiela, i Ony, i Eliaba, i Benaia, i Mahaseia, i Matitia, i Elifeleho, i Mikneia, i Obeda-Edoma ary i Jeiela, mpiandry varavarana. |
Nolavin’i Davida ny hamindra ny Vatamasin’ny TOMPO ho any aminy, any an-tanànan’i Davida; fa naviliny kosa izany ho ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma, lehilahy avy any Gàta.
Dia niverina tany an-tanàna izy ka niantso ny mpiambina vavahady sady nilaza taminy hoe: –Tonga tany an-tobin’ny Sirianina izahay; fa tsy misy olona intsony ao sady tsy nandrenesana feon’olona akory. Tsy nisy afa-tsy soavaly sy boriky mifatotra ary lay nilaozana fotsiny.
Telo volana no nipetrahan’ny vatamasin’Andriamanitra niaraka tamin’ny ankohonan’i Hôbeda-Edôma, tanaty efitrano voatokana ho azy; ary dia notahîn’ny TOMPO ny ankohonan’i Hôbeda-Edôma sy izay rehetra fananany.
Dia notendren’ny levita i Hemàna zanakalahin’i Jôela, sy i Asafa zanakalahin’i Berekià sady naman’i Hemàna, ary i Etàna zanakalahin’i Kosaià avy amin’ny fokon’i Merarỳ sady naman-dry i Hemàna sy i Asafa.
i Zakarià sy i Jahaziela, i Semiramôta sy i Jehiela, i Honỳ sy i Eliaba ary i Mahaseià sy i Benaià no nitendry tamin’ny valiha ireo gadom-peo ambony;
i Matitià sy i Elifalà, i Mikneià sy i Hôbeda-Edôma ary i Jehiela sy i Hazazià kosa no nitendry tamin’ny lokanga ireo gadom-peo ambany mba hanaingàn-kira.
nanankinany adidy koa ry i Hôbeda-Edôma sy ny namany 68 lahy, sy ilay Hôbeda-Edôma zanakalahin’i Jeditòna, ary i Hôsà mba ho mpiandry vavahady.
Ny amin’ny vavahady atsimo, dia azon’i Hôbeda-Edôma, ary ny amin’ny trano fitahirizana entana, dia azon’ireo zanany.
Ny an’i Hôbeda-Edôma dia nisy valo lahy ny zanany: i Semahià lahimatoa, i Jôzabada lahiaivo, i Jôà fahatelo, i Sakara fahefatra, i Natanaela fahadimy,
Anisan’ny taranak’i Hôbeda-Edôma ireo rehetra ireo. Ny taranaka ombàn-janaka sy havana dia nisy 62 lahy ny an’i Hôbeda-Edôma no mpiandry vavahady: samy olom-banona avokoa sady mahery fo amin’ny fanompoany.