Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 15:19 - DIEM PROTESTANTA

19 I Hemàna sy i Asafa ary i Etàna mpiventy hira dia nively ny kipantsona varahina;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 I Hemana sy i Asafa ary i Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 I Hemàna sy i Asafa ary i Etàna mpiventy hira dia nively ny kipantsona varahina;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 I Hemàna sy i Asafa ary i Etàna mpihira, dia nitondra kipantsona varahina, hampanenoina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary Hemana sy Asafa ary Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary Hemana sy Asafa ary Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 I Hemana sy i Asafa ary i Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 15:19
13 Rohy Ifampitohizana  

Ary i Davida sy ny Israelita rehetra dia niravoravo araka izay tratry ny heriny manontolo teo anatrehan’Andriamanitra, ka nihira niaraka tamin’ny lokanga sy ny valiha mbamin’ny amponga sy ny kipantsona ary ny trompetra.


Ireo lehiben’ny levita kosa nasain’i Davida hanendry ny namany izay tokony hihira miaraka amin’ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary ny kipantsona, ka hampanakoako ny feon-kira ho mariky ny firavoravoana.


Miaraka amin’izy telo lahy, amin’ny laharana faharoa, ireto mpiandry vavahady namany ireto: dia i Zakarià zanakalahin’i..., i Jahaziela sy i Semiramôta, i Jehiela sy i Honỳ, i Eliaba sy i Benaià, i Mahaseià sy i Matitià, i Elifalà sy i Mikneià, i Hôbeda-Edôma sy i Jehiela ary i Hazazià.


i Zakarià sy i Jahaziela, i Semiramôta sy i Jehiela, i Honỳ sy i Eliaba ary i Mahaseià sy i Benaià no nitendry tamin’ny valiha ireo gadom-peo ambony;


Niaraka tamin’i Hemàna sy i Jedotòna, dia nisy trompetra sy kipantsona natao hampanenoina ary zava-maneno hafa natao hanarahana ny hira ho an’Andriamanitra; ary ny zanakalahin’i Jedotòna no mpiandry vavahady.


I Asafa no filohany, ary i Zakarià no lefitra. I Jahaziela sy i Semiramôta, i Jehiela sy i Matitià, i Eliaba sy i Benaià ary i Hôbeda-Edôma sy i Jehiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa i Asafa no nively ny kipantsona.


I Davida sy ny lehiben’ireo andiana levita voatokana ho an’ny fanompoam-pivavahana dia nanavaka ny taranak’i Asafa sy i Hemàna ary i Jedotòna, ho mpampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra, ombàn’ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ka izao no isan’ny lehilahy mpanao izany raharaha izany araka ny fanompoany avy:


Izy rehetra ireo dia samy notarihin-drainy avy no nihira tao an-tranon’ny Tompo, ombàn’ny kipantsona sy ny valiha ary ny lokanga; ny hanao fanompoana tao an-tranon’ny TOMPO no raharahany, teo ambany fitarihan’ny mpanjaka mbamin-dry i Asafa sy i Jedotòna ary i Hemàna.


Nitsangana kosa ny levita, anisan’ny tarika kehatita sy kôrahita, mba hidera ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, tamin’ny feo mafy tokoa.


Samy nanao ny anjara raharahany avy ny mpisorona fa ny levita kosa nisahana ny zava-maneno masina izay nampamboarin’i Davida mpanjaka mba hiderana ny TOMPO hoe: «Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!», araka ny hira fiderana nasain’i Davida nataony. Dia nisy koa mpisorona nitsoka trômpetra tetsy andaniny; ary ny vahoaka israelita rehetra teo dia nitsangana avokoa.


Miderà Azy amin’ny kipantsona madinika, Miderà Azy amin’ny kipantsona vaventy.


Ingao ny hira, velezo ny amponga, tendreo ny lokanga tsara feo mbamin’ny valiha.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra