Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 26:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Ny amin’ny vavahady atsimo, dia azon’i Hôbeda-Edôma, ary ny amin’ny trano fitahirizana entana, dia azon’ireo zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 An’i Obeda-Edoma ny atsimo, ary an’ny zanany ny trano fitahirizan-drakitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Ny amin’ny vavahady atsimo, dia azon’i Hôbeda-Edôma, ary ny amin’ny trano fitahirizana entana, dia azon’ireo zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Ny amin’ny lafiny atsimo, azon’i Obededôma, ary ny trano fitahirizana, an’ny zanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 An’i Obed-edoma ny atsimo, ary an’ny zanany ny trano firaketana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 An'i Obed-edoma ny atsimo, ary an'ny zanany ny trano firaketana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 An’i Obeda-Edoma ny atsimo, ary an’ny zanany ny trano fitahirizan-drakitra.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 26:15
5 Rohy Ifampitohizana  

Ny amin’ny vavahady atsinanana, dia azon’i Selemià ny antsapaka. Ny amin’ny vavahady avaratra, dia i Zakarià zanany, izay mpanolotsaina hendry, no niantefan’ny antsapaka natao.


Ny amin’ny vavahady andrefana mbamin’ilay vavahady atao hoe Saleketa izay eo an-tampon’ny lala-miakatra dia azon’ny Hôsà. Nisy anjara fiambenana nifandimbiasana:


ka tamin’ny vavahady atsinanana, nisy levita enina isan’andro; tamin’ny vavahady avaratra, nisy levita efatra isan’andro; tamin’ny vavahady atsimo, nisy levita efatra isan’andro; tamin’ny trano fitahirizana entana, nisy sokajy anankiroa samy levita roa avy;


Dia nalain’i Jôasy avokoa ny volamena sy ny volafotsy ary ny zava-tsarobidy izay hita tao an-tranon’Andriamanitra sady teo ambany fiambenan’i Hôbeda-Edôma na izay hita tao amin’ny raki-tsoan’ny lapan’ny mpanjaka; ary nisy ihany koa olona nalainy hatao takalon’aina. Izay izy vao niverina nankany Samaria.


Ny mpiandry varavarana kosa dia ry i Matanià sy i Bakbokià, i Hôbadià sy i Mesolama, ary i Talmôna sy i Hakoba; andraikiny koa ny fiambenana ireo trano fitobian’entana teo akaikin’ny vavahadin’ny tempoly.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra