Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 26:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Ny amin’ny vavahady andrefana mbamin’ilay vavahady atao hoe Saleketa izay eo an-tampon’ny lala-miakatra dia azon’ny Hôsà. Nisy anjara fiambenana nifandimbiasana:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 An’i Sopima sy i Hosa ny andrefana mbamin’ny vavahady Saleketa, amin’ny lalana miakatra; ary feno avokoa ny toerana fiambenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Ny amin’ny vavahady andrefana mbamin’ilay vavahady atao hoe Saleketa izay eo an-tampon’ny lala-miakatra dia azon’ny Hôsà. Nisy anjara fiambenana nifandimbiasana:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Ny amin’ny lafiny andrefana, akaikin’ny vavahady Sikaleketa amin’ny lalana miakatra, azon’i Sefima sy i Hosa: nifanandrify ny antoko-mpiambina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 An’i Sopima sy Hosa ny andrefana mbamin’ny vavahady Saleketa amin’ny làlana miakatra; ary dia feno avokoa ny fiambenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 An'i Sopima sy Hosa ny andrefana mbamin'ny vavahady Saleketa amin'ny lalana miakatra; ary dia feno avokoa ny fiambenana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 An’i Sopima sy i Hosa ny andrefana mbamin’ny vavahady Saleketa, amin’ny lalana miakatra; ary feno avokoa ny toerana fiambenana.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 26:16
8 Rohy Ifampitohizana  

ny sakafo teo amin’ny latabany ary ny toeram-ponenan’ireo tandapany, ny fitafian’ny mpandroso sakafo sy mpitondra divay ary koa ny sorona dorana manontolo natolony tao an-tranon’ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy


Nanao antsapaka ny anjara raharahany avy izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny efa havanana na ny mbola miofana.


Ny amin’ny vavahady atsimo, dia azon’i Hôbeda-Edôma, ary ny amin’ny trano fitahirizana entana, dia azon’ireo zanany.


ka tamin’ny vavahady atsinanana, nisy levita enina isan’andro; tamin’ny vavahady avaratra, nisy levita efatra isan’andro; tamin’ny vavahady atsimo, nisy levita efatra isan’andro; tamin’ny trano fitahirizana entana, nisy sokajy anankiroa samy levita roa avy;


tamin’ny trano fanampiny, teo andrefana, nisy levita efatra ho an’ny lalana ary nisy levita roa ho an’ny trano.


ny sakafo fihinana teo amin’ny latabany sy ny toeram-ponenan’ny tandapany ary koa ny fahamendrehana amam-pitafian’ireo mpandroso sakafo sy mpitondra divay, ny ambaratongan-tohatra izay niakaran’i Salômôna ho ao an-tranon’ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy


Ny lohandohan’ny levita, izany hoe i Hasabià sy i Serebià ary i Jesoa mbamin’ny Binoy sy i Kadmiela, dia nifanatrika tamin’ireo levita namany mba hidera sy hisaotra an’Andriamanitra, rehefa tonga ny anjara fanompoany. Ny fandaharana nataon’i Davida olon’Andriamanitra no narahiny tamin’izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra