Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 16:38 - DIEM PROTESTANTA

38 nanankinany adidy koa ry i Hôbeda-Edôma sy ny namany 68 lahy, sy ilay Hôbeda-Edôma zanakalahin’i Jeditòna, ary i Hôsà mba ho mpiandry vavahady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

38 I Obeda-Edoma, zanak’i Jedotona sy ny rahalahiny valo amby enimpolo ary i Hosa kosa dia ho mpiandry varavarana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

38 nanankinany adidy koa ry i Hôbeda-Edôma sy ny namany 68 lahy, sy ilay Hôbeda-Edôma zanakalahin’i Jeditòna, ary i Hôsà mba ho mpiandry vavahady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

38 Toy izany koa i Obededôma mbamin’ireo rahalahiny 68, i Obededôma zanak’i Iditona ary i Hosa, ho mpiandry varavarana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

38 ary Obed-edoma sy ny rahalahiny valo amby enim-polo sy Obed-edoma, zanak’i Jedotona, ary Hosa ho mpiandry varavarana kosa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

38 ary Obed-edoma sy ny rahalahiny valo amby enim-polo sy Obed-edoma, zanak'i Jedotona, ary Hosa ho mpiandry varavarana kosa.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 16:38
6 Rohy Ifampitohizana  

Nolavin’i Davida ny hamindra ny Vatamasin’ny TOMPO ho any aminy, any an-tanànan’i Davida; fa naviliny kosa izany ho ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma, lehilahy avy any Gàta.


Dia niverina tany an-tanàna izy ka niantso ny mpiambina vavahady sady nilaza taminy hoe: –Tonga tany an-tobin’ny Sirianina izahay; fa tsy misy olona intsony ao sady tsy nandrenesana feon’olona akory. Tsy nisy afa-tsy soavaly sy boriky mifatotra ary lay nilaozana fotsiny.


Telo volana no nipetrahan’ny vatamasin’Andriamanitra niaraka tamin’ny ankohonan’i Hôbeda-Edôma, tanaty efitrano voatokana ho azy; ary dia notahîn’ny TOMPO ny ankohonan’i Hôbeda-Edôma sy izay rehetra fananany.


Ny an’ny zanakalahin’i Jedotòna dia ry i Gedalià sy i Tserỳ, i Jesahià sy i Simehỳ ary i Hasabià sy i Matitià. Izy enin-dahy ireo dia notarihin’i Jedotòna rainy izay nampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra, ombàn’ny lokanga, mba hankalazana sy hiderana ny TOMPO.


Ny an’i Hôsà, izay anisan’ireo taranak’i Merarỳ, dia nisy efa-dahy ny zanany: i Simrỳ no voalohany (tsy lahimatoa izy kanefa nataon-drainy lohalaharana),


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra