Ho azo antoka hitohy mandrakizay any aorianao ny taranakao sy ny fanjakanao, ary ny sezafiandriananao tsy ho voahozongozona mandrakizay.› »
1Tantara 14:2 - DIEM PROTESTANTA Dia fantatr’i Davida tamin’izay fa ny TOMPO mihitsy no efa nanao azy ho mpanjaka teo amin’i Israely satria voasandratra avo ny fanjakany noho ny amin’ilay Israely vahoakan’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia fantatr’i Davida fa NY TOMPO efa nampitoetra azy ho mpanjakan’ny Israely ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin’ny Israely olony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia fantatr’i Davida tamin’izay fa ny TOMPO mihitsy no efa nanao azy ho mpanjaka teo amin’i Israely satria voasandratra avo ny fanjakany noho ny amin’ilay Israely vahoakan’Andriamanitra. Baiboly Katolika Dia fantatr’i Davida, fa efa nampiorina azy ho mpanjaka amin’i Israely i Iaveh, satria voasandratra ny fanjakany, noho i Israely vahoakany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia fantatr’i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan’ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin’ny Isiraely olony. Malagasy Bible Dia fantatr'i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan'ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin'ny Isiraely olony. La Bible en Malgache Dia fantatr’i Davida fa NY TOMPO efa nampitoetra azy ho mpanjakan’ny Israely ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin’ny Israely olony. |
Ho azo antoka hitohy mandrakizay any aorianao ny taranakao sy ny fanjakanao, ary ny sezafiandriananao tsy ho voahozongozona mandrakizay.› »
Koa lazao amin’i Davida mpanompoko fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no mampita hafatra hoe: ‹Izaho no naka anao teo am-piandrasana ondry tany an-kijàna mba ho filohan’i Israely vahoakako.
Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao fa sitrany napetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely ianao; noho ny fitiavany mandrakizay an’i Israely manko no nanaovan’ny TOMPO anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.
Nandefa iraka ho any amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tiro, sady nandefa hazo sedera sy mpipai-bato ary mpandrafitra hazo mba hanao lapa ho azy.
Kanefa mbola kely izany eo imasonao, Andriamanitra ô, ka efa nanaovanao fampanantenana koa hatramin’ny taranako mbola any aoriana lavitra any; ary dia noheverinao ho olona ambony saranga aho. Ry TOMPO Andriamanitro ô,
Dia hoy i Hirama, mpanjakan’i Tiro, tamin’ny taratasy nalefany ho an’i Salômôna: «Fitiavan’ny TOMPO ny vahoakany no nanendreny anao ho mpanjakany.»
Hoy koa i Hirama: «Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’i Davida zanakalahy hendry, malina sy mahira-tsaina, ka hanao trano ho an’ny TOMPO sy lapa ho an’ny tenany.
Raha hangina mihitsy ianao amin’ity toe-javatra ity, dia hisy fanampiana sy fanafahana hipoitra avy any an-kafa ho an’ny Jiosy; fa ianao no haringana ary ho lany tamingana ny fianakavianao. Ary iza no mahalala fa angamba ho amin’ity toe-javatra ity mihitsy no nanandratana anao ho mpanjakavavy?»
Ary raha naseho tamiko io zava-miafina io, dia tsy hoe manam-pahendrena mihoatra noho ny miaina rehetra aho akory, fa mba hahazoana mampahalala anao ny hevitry ny nofinao, ry mpanjaka, ka hahafantaranao izay eritreritry ny fonao.
mitobaka toy ny rano avy amin’ny fanovozana ka manondraka tsara ny saha voafafy. Mahery noho i Agaga ny mpanjaka israelita ka hihamatanjaka hatrany ny fanjakany.
Raha ekenareo tokoa ny TOMPO Andriamanitrareo ka imasoanareo hotanterahina ny didiny rehetra izay ampitaiko aminareo anio, dia hasandrany ho ambonin’ny firenena rehetra amin’ny tany ianareo;