Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 2:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Dia hoy i Hirama, mpanjakan’i Tiro, tamin’ny taratasy nalefany ho an’i Salômôna: «Fitiavan’ny TOMPO ny vahoakany no nanendreny anao ho mpanjakany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary hoy i Hirama, mpanjakan’i Tiro, tamin’ny taratasy izay nampanateriny ho any amin’i Solomona: Noho ny fitiavan’NY TOMPO ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Dia hoy i Hirama, mpanjakan’i Tiro, tamin’ny taratasy nalefany ho an’i Salômôna: «Fitiavan’ny TOMPO ny vahoakany no nanendreny anao ho mpanjakany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Dia izao no navalin’i Hirama mpanjakan’i Tira tao amin’ny taratasy nampitondrainy an’i Salômôna: «Noho ny fitiavan’i Iaveh ny vahoakany no nananganany anao ho mpanjakany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary hoy Hirama, mpanjakan’i Tyro, tamin’ny taratsay izay nampanateriny ho any amin’i Solomona: Noho ny fitiavan’i Jehovah ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary hoy Hirama, mpanjakan'i Tyro, tamin'ny taratasy izay nampanateriny ho any amin'i Solomona: Noho ny fitiavan'i Jehovah ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ary hoy i Hirama, mpanjakan’i Tiro, tamin’ny taratasy izay nampanateriny ho any amin’i Solomona: Noho ny fitiavan’NY TOMPO ny olony no nanendreny anao ho mpanjakany.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 2:10
11 Rohy Ifampitohizana  

Hendry noho ny olon-drehetra izy fa nihoarany avokoa na i Etàna ilay Ezrahita, na i Hemàna, na i Kalkôla, na i Dardà zanakalahin’i Mahôla; koa niely tamin’ny firenena rehetra manodidina ny lazany.


Ny hateviny dia valo santimetatra, ary ny molony dia natao tahaka ny molo-tsangambava ka miendrika felana lisy. Niaty 90 000 litatra eo ho eo izany fitobian-drano goavana izany.


Ary nanao kovetabe halimo folo fasian-drano i Hirama, dia kovetabe hapetraka eo amin’ny kalesy folo. Ny kovetabe tsirairay dia nirefy roa metatra ny haavony ary niaty 1 600 litatra eo ho eo.


Dia fantatr’i Davida tamin’izay fa ny TOMPO mihitsy no efa nanao azy ho mpanjaka teo amin’i Israely satria voasandratra avo ny fanjakany noho ny amin’ilay Israely vahoakan’Andriamanitra.


Ary izahay hikapa hazo any Libano araka izay rehetra ilainao; ary hatambatray ireny ka hampandehaninay mitsinkafona amin’ny ranomasina hatrany Jôpa. Ianao kosa no hampiakatra azy mankany Jerosalema.»


Koa indro aho hanome varimbazaha sy vary ôrza samy enina arivo taonina ary koa divay sy menaka samy 800 000 litatra avy, ho sakafon’ireo mpiasanao mpikapa hazo.»


Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao, fa sitrany napetraka eo amin’ny sezafiandrianany ianao mba ho mpanjaka hanompo Azy TOMPO Andriamanitrao; fa ny fitiavan’Andriamanitrao an’i Israely ka hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.


Dia nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra; nomeny hanina amam-pisotro sy menaka ny Tirianina sy ny Tsidônianina mba hitondra hazo sedera avy any Libano ka hitatitra azy an-dranomasina hatrany Jafao. Araka ny fanomezan-dàlana nomen’i Kirôsa amperôran’i Persia no nanaovan’ny Israelita izany.


Hatolotrareo an’i Hezrà hatramin’ny volafotsy 3 400 kilao sy ny varimbazaha telo alina kilao, ny divay efatra arivo litatra sy ny menaka efatra arivo litatra ary ny sira araka izay tiany.


Mitoera amin’izany trano izany, fa aza mifindrafindra trano; ary hano sy sotroy izay aroson’ny tompon-trano, fa ny mpiasa dia mendrika homena ny karamany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra