Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 2:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Hoy koa i Hirama: «Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’i Davida zanakalahy hendry, malina sy mahira-tsaina, ka hanao trano ho an’ny TOMPO sy lapa ho an’ny tenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Hoy koa i Hirama: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana ka hanorina trano ho an’NY TOMPO sy lapa ho an’ny tenany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Hoy koa i Hirama: «Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’i Davida zanakalahy hendry, malina sy mahira-tsaina, ka hanao trano ho an’ny TOMPO sy lapa ho an’ny tenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ary hoy i Hirama: Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’i Davida zanaka hendry, malina, mazava saina, izay hanao trano ho an’i Iaveh ary trano-mpanjaka ho an’ny tenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary hoy koa Hirama: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana, ka hanao trano ho an’i Jehovah sy lapa ho an’ny tenany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary hoy koa Hirama: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an'i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana, ka hanao trano ho an'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Hoy koa i Hirama: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, izay nanao ny lanitra sy ny tany, noho ny nanomezany an’i Davida zanaka hendry, izay manana fahendrena sy fahalalana ka hanorina trano ho an’NY TOMPO sy lapa ho an’ny tenany izy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 2:11
6 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny fiandohana, fony Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany


Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao fa sitrany napetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely ianao; noho ny fitiavany mandrakizay an’i Israely manko no nanaovan’ny TOMPO anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.


Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao, fa sitrany napetraka eo amin’ny sezafiandrianany ianao mba ho mpanjaka hanompo Azy TOMPO Andriamanitrao; fa ny fitiavan’Andriamanitrao an’i Israely ka hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.


Ny lazan’ny mpanjaka anie ho mandrakizay ka hitatra hatrany eto ambany masoandro! Izy anie ho fitahiana ireo fokon’ny tany tontolo ka hataon’ny firenena rehetra hoe: «Sambatra!»


ary izy mihitsy aza no nanorina ny sinagôgantsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra