Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 24:7 - DIEM PROTESTANTA

7 mitobaka toy ny rano avy amin’ny fanovozana ka manondraka tsara ny saha voafafy. Mahery noho i Agaga ny mpanjaka israelita ka hihamatanjaka hatrany ny fanjakany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Mikoriana avy amin’ny sininy ny rano ary ny voa afafiny dia tondrahin’ny rano betsaka. Hisandratra noho i Agaga ny mpanjakany ary handroso voninahitra ny fanjakany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 mitobaka toy ny rano avy amin’ny fanovozana ka manondraka tsara ny saha voafafy. Mahery noho i Agaga ny mpanjaka israelita ka hihamatanjaka hatrany ny fanjakany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Mitobaka ny rano amin’ny sisiny roa, Ny taranany mitombo eo amoron’ny rano be dia be; Ny mpanjakany misandratra ambonin’i Agaga, Ary ny fanjakany mandroso voninahitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Hisy rano mandeha avy eo amin’ny sininy, Ary ny taranany ho any amoron’ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, Ary handroso voninahitra ny fanjakany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Hisy rano mandeha avy eo amin'ny sininy, ary ny taranany ho any amoron'ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Mikoriana avy amin’ny sininy ny rano ary ny voa afafiny dia tondrahin’ny rano betsaka. Hisandratra noho i Agaga ny mpanjakany ary handroso voninahitra ny fanjakany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 24:7
29 Rohy Ifampitohizana  

Fantatr’i Davida fa ny TOMPO no efa nampanjaka azy tamin’i Israely ary nanandratra ny fanjakany noho ny amin’i Israely vahoakany.


Ary i Salômôna nanapaka tamin’ny fanjakana rehetra hatreo amin’ny ony Eofrata ka mipaka any amin’ny tanin’ny Filistinina ary hatrany amin’ny sisintanin’i Ejipta; fa nandoa hetra ireo ka nanompo an’i Salômôna tamin’ny andro rehetra niainany.


Dia fantatr’i Davida tamin’izay fa ny TOMPO mihitsy no efa nanao azy ho mpanjaka teo amin’i Israely satria voasandratra avo ny fanjakany noho ny amin’ilay Israely vahoakan’Andriamanitra.


Efa nisy mpanjaka mahery izay nanjaka tany Jerosalema, ka nanapaka ny tany rehetra any andafy andrefan’ny ony Eofrata sady nandoavana hetra sy haba ary sara.


Tatỳ aorian’izany, dia nomen’ny amperôra Kserksesa laharana ambony i Hamàna zanakalahin’i Hamedatà sady taranak’i Agaga, ka nasandrany hipetraka eo amin’ny toerana maha praiminisitra.


Kosehiko toa vovoka entin-drivotra ireny; hoseko toy ny fotaka eny an-dalam-be.


Ny mpihira no indreo fa lohalalana, ny mpitendry valiha no vodilalana; ny eo anelanelan’izy roa tonta dia ny tovovavy mively langoroana.


Ny mpanjaka hafa rehetra hiankohoka eo anatrehany; ary ny firenen-drehetra hanompo azy.


Izy hiantso Ahy hoe: ‹Raiko Ianao, Andriamanitro, Vatolampy mamonjy ahy›,


Izao no hiseho amin’ny andro any aoriana: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ny TOMPO dia hanerinerina ambonin’ny tendrombohitra sisa ka hasandratra ho avo kokoa noho ireo havoana; dia hitanjozotra hankany ny firenena rehetra.


Amin’ny andron’ilay fandringanana goavana, rehefa hianjera ireo tilikambo, dia samy hisy renirano mikoriana eny an-tendrombohitra manerinerina sy eny amin’ny havoana miteronterona.


Henoy izao, ry firenen’i Jakôba, dia ianareo izay mitonon-tena ho Israely sy taranaka nipoitra avy tamin’i Joda, ianareo izay mianiana amin’ny anaran’ny TOMPO ka miantso ny anaran’Andriamanitr’i Israely nefa tsy araka ny fahamarinana sy ny fahitsiana.


Namoaka didim-pitsarana ny Tompo ho fanoherana ny taranak’i Jakôba, ka ny fanjakan’i Israely no niharan’izany.


Ry Babilôna izay mipetraka eo amoron’ny ony lehibe sady manana harena sarobidy ô, tonga ny fiafaranao fa feno ny fatranao.


«Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo ilay Andriamanitry ny lanitra no hanangana fanjakana izay tsy ho rava na oviana na oviana; ary ny fiandrianany tsy ho lasan’ny firenen-kafa. Io fanjakana io no hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra talohany, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.


Nahita ny Hamalekita i Balahama ka nanonona izao teny izao: «Ny Hamalekita no lohalaharana amin’ny hafa firenena rehetra; fa ho lany ringana no hiafaràny.»


Fa i Natanaela kosa nilaza taminy hoe: –Mpampianatra ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely!


Dia nitsoka trompetra ny anjely fahafito, ka nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Efa lasan’ny Tompontsika sy ilay Mesiany ny fanjakana amin’izao tontolo izao, ka ho fanjakana maharitra mandrakizay izany!»


Dia nanatona ahy ny anankiray tamin’ireo anjely fito izay nanana ny lovia fito, ka niteny tamiko nanao hoe: –Avia atỳ fa hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga malaza ratsy, izay mipetraka eo ambonin’ny ranobe.


Dia hoy koa ny anjely tamiko: –Ny ranobe, izay hitanao ipetrahan’ilay vehivavy janga, dia vahoaka sy olona maro mbamin’ny firenena sy ny samy hafa fiteny.


Ary izao no anarana voasoratra teo amin’ny akanjobe nanarona ny feny: «Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra