Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 24:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Fa toa ranon-driaka mihanaka izy ireny, mandrobona tahaka ny zaridaina amoron’ny ony, velombelona tahaka ny sahondra na ny sedera nambolen’ny TOMPO teo amoron’ny sakeli-drano,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Tahaka ny lohasaha misandrahaka, tahaka ny saha ao amoron’ny ony, tahaka ny hazo manitra nambolen’NY TOMPO, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Fa toa ranon-driaka mihanaka izy ireny, mandrobona tahaka ny zaridaina amoron’ny ony, velombelona tahaka ny sahondra na ny sedera nambolen’ny TOMPO teo amoron’ny sakeli-drano,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Midadasika toa lohasaha, Tahaka ny zaridaina amoron’ny ony, Tahaka ny aloesy nambolen’i Iaveh, Tahaka ny sedera amoron-drano!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Tahaka ny lohasaha malalaka, Tahaka ny saha ao amoron’ony, Tahaka ny hazo manitra nambolen’i Jehovah, Tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron'ony, tahaka ny hazo manitra nambolen'i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Tahaka ny lohasaha misandrahaka, tahaka ny saha ao amoron’ny ony, tahaka ny hazo manitra nambolen’NY TOMPO, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 24:6
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitazana i Lôta ka nahatsinjo ny faritanin’i Jôrdàna manontolo. Talohan’ny nandravan’ny TOMPO an’i Sôdôma sy i Gômôra, izany faritany izany mandra-pahatonga any Tsôhara dia tahaka ny zaridainan’ny TOMPO, tahaka ny lohasahan’i Neily.


Toy ny hazo nambolena eo amoron-drenirano izy, izay mamoa ara-potoana sady tsy malazo ravina, ka dia mahomby avokoa ny asa rehetra ataony.


Voky rano koa ireo hazo vaventy, dia ny sedera voavoly any Libano.


Tia rariny sy mpankahala ratsy ianao. Noho izany ilay Andriamanitra Andriamanitrao dia nanokana anao fa tsy ireo namanao ka nanosotra diloilo fifaliana tamin’ny lohanao.


Midina ao an-jaridainam-boankazo aho hijery ny tsirim-boly eny an-dohasaha sy hizaha raha mitsimoka ny voaloboka na mamony ny ampongabendanitra.


Hataoko mitsiry hazo sedera sy mimôzà ary rotra sy ôliva any an-taniefitra; hasiako kipreso sy hazo kesika ary kirihitr’ala any an-tany hay.


Hitari-dalana anao hatrany ny TOMPO; na dia ao amin’ny tany karakaina aza ianao, dia hovokisany hanina sy hampahatanjahiny. Hanjary mahate hijery toy ny saha vonton-drano ianao na toy ny loharano miboiboika tsy mety ritra.


Aoka ireo mpanenjika ahy no ho menatra fa tsy ny tenako velively; aoka ireo no ho trotraka, fa tsy izaho. Ataovy tonga aminy ny andro mandoza, ary potipoteho tanteraka izy.


Ho avy ireo ka hanao horakora-pifaliana ao amin’ny havoanan’i Tsiôna; ho miramirana endrika izy amin’ny zava-tsoa homen’ny TOMPO: dia ny vary sy divay vaovao ary diloilo, mbamin’ny ondry sy osy ary omby. Ho velombelona toy ny saha vonton-drano izy ka tsy mba hihamalazo intsony.


Ary eny amoron’ny ony an-daniny roa dia hanirian’ny hazo fihinam-boa isan-karazany. Tsy halazo na oviana na oviana ny raviny ary tsy hitsahatra ny voany, fa hamoa isam-bolana izy satria voatondrak’ilay rano mivoaka avy ao amin’ny tempoly. Ny voany dia hatao sakafo, ary ny raviny hatao fanafody.»


«Akory ny hatsàran’ny lainareo, ry taranak’i Jakôba; endrey ny hasoan’ny fonenanareo, ry vahoaka Israelita!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra