Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 17:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Kanefa mbola kely izany eo imasonao, Andriamanitra ô, ka efa nanaovanao fampanantenana koa hatramin’ny taranako mbola any aoriana lavitra any; ary dia noheverinao ho olona ambony saranga aho. Ry TOMPO Andriamanitro ô,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa indro, efa voalazanao koa ny amin’ny taranaky ny mpanomponao hatramin’izay mbola any aoriana lavitra aza ary mijery ahy toy ny olona ambony Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Kanefa mbola kely izany eo imasonao, Andriamanitra ô, ka efa nanaovanao fampanantenana koa hatramin’ny taranako mbola any aoriana lavitra any; ary dia noheverinao ho olona ambony saranga aho. Ry TOMPO Andriamanitro ô,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Izany indray aza mbola zavatra kely eo imasonao, ry Andriamanitra. Niteny koa Ianao ny amin’ny taranaky ny mpanomponao, hatrany amin’ny andro aoriana any, ary nataonao ho olona ambony laharana aho, ry i Iaveh Andriamanitra ô!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin’ny taranaky ny mpanomponao hatramin’ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny fanaon’ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin'ny taranaky ny mpanomponao hatramin'ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny fanaon'ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa indro, efa voalazanao koa ny amin’ny taranaky ny mpanomponao hatramin’izay mbola any aoriana lavitra aza ary mijery ahy toy ny olona ambony Ianao, RY TOMPO Andriamanitra ô!

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 17:17
13 Rohy Ifampitohizana  

Natolotro hofehezinao ny fianakavian’i Saoly ary nataoko tonga andefimandrinao ny vadiny; natolotro ho eo ambany fahefànao ny vahoakan’i Israely sy i Joda. Ary raha mbola tsy ampy anao izany, dia ho nomeko toy izany ianao.


Kanefa mbola kely izany eo imasonao, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, ka efa nanaovanao fampanantenana koa hatramin’ny taranako mbola any aoriana lavitra any. Araka ny fomban’olombelona ve izany, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô?


Ary na izay tsy nangatahinao aza dia omeko anao koa, dia ny harena amam-boninahitra, ka tsy hisy mpanjaka hitovy aminao amin’ny andronao rehetra.


Saingy mbola zavatra kely eo imason’ny TOMPO ihany izany; fa hanolotra ny tanin’i Môaba eo an-tananareo koa Izy.


Ary nankeo anatrehan’ny TOMPO tao an-tranolay i Davida mpanjaka, ka nipetraka sady nivavaka hoe: –Ry TOMPO Andriamanitro ô, mba iza moa aho; ary mba inona ny fianakaviako no tonganao amin’ny toerana misy ahy izao?


inona no mbola azoko lazaina aminao momba ny voninahitra nomenao ahy satria Ianao no mahalala ahy mpanomponao?


Dia nitenenany aho ka nataony hoe: «Tsy ampy raha tonga mpanompoko fotsiny ianao mba hampitraka ireo foko taranak’i Jakôba sy hampody ny sisa velona amin’ny vahoaka Israely. Fa omeko ho fanazavana ho an’ny firenen-kafa koa ianao mba hitaran’ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.»


Ary ho an’Andriamanitra Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika aza, araka ny heriny miasa ato amintsika,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra