1Tantara 17:18 - DIEM PROTESTANTA18 inona no mbola azoko lazaina aminao momba ny voninahitra nomenao ahy satria Ianao no mahalala ahy mpanomponao? Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201118 Inona intsony no holazain’i Davida aminao ny amin’ny voninahitra omena ny mpanomponao? Fa Ianao no mahafantatra ny mpanomponao. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara18 inona no mbola azoko lazaina aminao momba ny voninahitra nomenao ahy satria Ianao no mahalala ahy mpanomponao? Jereo ny tokoBaiboly Katolika18 Koa inona indray no ho azon’i Davida lazaina aminao, ny amin’ny voninahitra nomena ny mpanomponao? Fantatrao ny mpanomponao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy18 Inona intsony no holazain i Davida aminao ny amin’ny voninahitra omena ny mpanomponao? fa Hianao no mahalala ny mpanomponao. Jereo ny tokoMalagasy Bible18 Inona intsony no holazain'i Davida aminao ny amin'ny voninahitra omena ny mpanomponao? fa Hianao no mahalala ny mpanomponao. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache18 Inona intsony no holazain’i Davida aminao ny amin’ny voninahitra omena ny mpanomponao? Fa Ianao no mahafantatra ny mpanomponao. Jereo ny toko |
Ary hoy indray i Jesoa tamin’i Petera fanintelony: –Ry Simôna zanakalahin’i Jôhany, moa tia Ahy ve ianao? Dia nalahelo i Petera fa nataon’i Jesoa fanintelony hoe: «Moa tia Ahy ve ianao?», ka hoy ny navaliny Azy: –Ianao, ry Tompo, no mahalala ny zavatra rehetra, ka fantatrao fa tiako Ianao. Dia hoy Izy taminy: –Fahano ireo ondriko.
Noho izany, ny TOMPO Andriamanitr’i Israely dia miteny hentitra hoe: Efa nampanantenaiko fa ny fianakavianao sy ny tera-drainao no ho mpisoroko mandrakizay; nefa ankehitriny dia laviko tanteraka, teny hentitra avy amiko izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manimbazimba Ahy no ho afa-baràka.