Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 17:19 - DIEM PROTESTANTA

19 TOMPO ô, noho ny amiko mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izao asa lehibe manontolo izao mba hampahalalanao ny zava-dehibe rehetra vitanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 TOMPO ô, noho ny amin’ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 TOMPO ô, noho ny amiko mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izao asa lehibe manontolo izao mba hampahalalanao ny zava-dehibe rehetra vitanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Iaveh ô, noho ny amin’ny mpanomponao sy araka ny Fonao, no nanaovanao izany zava-dehibe rehetra izany, mba hampahafantaranao ireo zava-dehibe ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Jehovah ô, noho ny amin’ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io, mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Jehovah ô, noho ny amin'ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io, mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 TOMPO ô, noho ny amin’ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 17:19
15 Rohy Ifampitohizana  

Noho ny fampanantenànao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izao asa lehibe manontolo izao hampahalalainao ahy.


inona no mbola azoko lazaina aminao momba ny voninahitra nomenao ahy satria Ianao no mahalala ahy mpanomponao?


TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.


Madera sady malaza ny zava-bitany; maharitra mandrakizay ny fahamarinany.


Ny vahoakany nanehoany ny hery ampiasainy, fony nomeny azy ny tanin’ireo hafa firenena.


TOMPO ô, mpanomponao aho; eny, mpanomponao tokoa aho sady zanaky ny mpanompovavinao, ka novahanao ny fatorako.


Harovako i Jerosalema ary hovonjeko noho ny amin’ny tenako sy i Davida mpanompoko.› »


Indro ny mpanompoko izay tohanako, ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an’ny firenena.


Hoy Izy tamiko: «Ianao no mpanompoko, ilay Israely entiko maneho ny voninahitro.»


Ary ankehitriny, ry Andriamanitray ô, henoy ny vavaka amam-pifonako; ka jereo amin-katsarampo ny Toeramasinao efa simba, satria Ianao no Tompo.


Eny, Ray ô, izany tokoa no sitrakao!


Izany rahateo no fandaharana hatrizay hatrizay ka notanterahin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy Jesoa Tompontsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra