Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 17:20 - DIEM PROTESTANTA

20 TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Tsy misy mitovy aminao, ry Iaveh, ary tsy misy Andriamanitra hafa hafa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Jehovah ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Jehovah ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra ren'ny sofinay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 17:20
26 Rohy Ifampitohizana  

TOMPO ô, noho ny amiko mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izao asa lehibe manontolo izao mba hampahalalanao ny zava-dehibe rehetra vitanao.


Ary iza moa no firenena hafa eto ambonin’ny tany tahaka ny Israely vahoakanao, ka nandehananao Andriamanitra mba havotanao ho vahoakanao? Eny, nampalaza Anao ireo zava-mahagaga sy mahatahotra vitanao mba handroahanao ny firenena hafa tsy ho eo anatrehan’ny vahoakanao izay navotanao avy tany Ejipta.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira; tononkalo fananarana nataon’ireo terak’i Kôra.


Tompo ô, tsy misy tahaka Anao amin’ireo andriamanitra; tsy misy mahavita ny vitanao.


TOMPO ô, aoka hidera Anao ny anjely any an-danitra noho izany zava-mahagaga nataonao izany; aoka hidera Anao ireo amin’ny fivoriany, indrindra koa noho ny toetranao mahatoky!


Fa Andriamanitra mampitolagaga Ianao eo amin’ny fivorian’ny anjely, ka lehibe sy hajaina kokoa noho ireo rehetra manodidina Anao.


satria IANAO no Ilay Avo Indrindra eran-tany sady ambonin’ireo andriamanitra rehetra.


TOMPO ô, iza moa no andriamanitra tahaka Anao? Iza no malaza amin’ny fahamasinana tahaka Anao, mahatahotra, mendri-piderana, afaka manao zava-mahagaga?


Fantatro izao fa ny TOMPO dia lehibe mihoatra noho ny andriamanitra hafa rehetra; ny zavatra izay nataony rehefa nisetrasetra taminareo ny Ejiptianina no nanehoany izany.


Nangonina ho an-tokotokony maro ireny, ka nanamaimbo ny tany.


Fa amin’ity indray mandeha ity dia halefako hamely anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao ny loza rehetra mba ho fantatrao fa tsy misy tahaka ahy eto ambonin’ny tany.


Koa ampitovînareo amin’iza moa Andriamanitra? Endrik’inona no ampanahafinareo Azy?


«Koa hampitovînareo amin’iza Aho ary hoharinareo amin’iza, hoy ilay Andriamanitra masina?»


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Ianareo vahoakako no vavolombeloko, ianareo no mpanompoko izay nofidiko mba hahafantaranareo sy hitokianareo Ahy ary hahatakaranareo ny maha Izaho Ahy; talohako dia tsy nisy Andriamanitra ary tsy hisy handimby Ahy aoriako.


Izao no lazain’ny TOMPO dia ilay TOMPOn’izao rehetra izao sady Mpanjakan’i Israely sy Mpanavotra azy: «Izaho no voalohany ary Izaho no farany, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.


Mitodiha atỳ amiko, dia ho voavonjy ianareo, ry olona amin’ny vazan-tany rehetra; satria Izaho no Andriamanitra fa tsy misy hafa.


Izaho no TOMPO fa tsy misy hafa; tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. Nampisikiniko hery ianao hiasa na dia tsy mahalala Ahy akory aza,


Izy no nampandroso ny sandriny mamirapiratra teo ankavanan’i Mosesy, ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloan’ny vahoakany mba hananany laza mandrakizay.


Ary ho an’Andriamanitra Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika aza, araka ny heriny miasa ato amintsika,


«Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, vao nanehoanao ny fahalehibeazanao sy ny fiarovanao mahery aho mpanomponao. Fa, na any an-danitra na eto an-tany, aiza no misy andriamanitra mahay manao araka ny asanao sy ny zava-dehibe vitanao?


Dia hoy koa i Mosesy hoe: «Ry Jesoròna, tsy misy tahaka an’ilay Andriamanitrao! Heni-boninahitra sady mitaingina ny rahon’ny lanitra Izy mba ho tonga hamonjy anao.


Ianareo no nampahitany an’izany mba hahafantaranareo fa ny TOMPO no Andriamanitra, sady tsy misy afa-tsy Izy.


Koa aoka hoekenareo anio sy haraikitrareo ao am-ponareo fa ny TOMPO no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany, sady tsy misy afa-tsy Izy.


tsy misy masina tahaka AZY, ary tsy misy vatolampy tahaka an’Andriamanitsika. Eny, Izy irery ihany no TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra