Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 17:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Ary iza moa no firenena hafa eto ambonin’ny tany tahaka ny Israely vahoakanao, ka nandehananao Andriamanitra mba havotanao ho vahoakanao? Eny, nampalaza Anao ireo zava-mahagaga sy mahatahotra vitanao mba handroahanao ny firenena hafa tsy ho eo anatrehan’ny vahoakanao izay navotanao avy tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Israely olonao? Andriamanitra mihitsy no nandeha nanavotra azy ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin’ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan’ny olonao izay navotanao avy tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Ary iza moa no firenena hafa eto ambonin’ny tany tahaka ny Israely vahoakanao, ka nandehananao Andriamanitra mba havotanao ho vahoakanao? Eny, nampalaza Anao ireo zava-mahagaga sy mahatahotra vitanao mba handroahanao ny firenena hafa tsy ho eo anatrehan’ny vahoakanao izay navotanao avy tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Aiza eto ambonin’ny tany izay firenena hafa, manahaka an’i Israely vahoakanao, izay nahatongavan’Andriamanitra hanavotany azy, mba ho vahoakany, hahazoanao Anarana amin’ny fahagagana aman’asa lehibe, dia ny nandroahanao firenena teo anoloan’ny vahoakanao, izay navotanao tamin’i Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan’Andriamanitra havotana ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin’ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan’ny olonao, izay navotanao avy tany Egypta?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan'Andriamanitra havotana ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin'ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan'ny olonao, izay navotanao avy tany Egypta?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Israely olonao? Andriamanitra mihitsy no nandeha nanavotra azy ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin’ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan’ny olonao izay navotanao avy tany Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 17:21
29 Rohy Ifampitohizana  

TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.


Ny Israely vahoakanao dia nataonao ho vahoakanao mandrakizay; ary Ianao kosa, TOMPO ô, no efa tonga Andriamaniny.


dia nanao famantarana sy fahagagana Ianao hamelezana ny Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny olona rehetra teo amin’ny taniny, satria fantatrao fa nianjonanjona tamin’ny razanay ry zareo. Nahazoanao laza izany tahaka izay hita amin’izao anio izao.


Aoka hiredona izany ny navotan’ny TOMPO, dia ireo navotany ho afaka teo an-tanan’ny mpampahory


Nandefasany fanafahana ny vahoakany sy nandraiketany fanekempihavanana mandrakizay. Andriamanitra masina sy mahatahotra Izy.


fa tsy mba nanao izany tamin’ny firenen-kafa ka ny fitsipiny tsy mba fantatr’ireo. Haleloià!


Sambatra ny olona izay voafidinao ka asainao honina ao an-kianjanao! Hamoky anay ny zava-tsoan’ny tranonao, dia ny zava-masin’ny tempolinao.


Ianao irery no manao zava-mahagaga; ary nasehonao tamin’ny firenen-kafa ny fahefànao.


Noho izany, dia lazao amin’ny Israelita hoe: «Izaho no TOMPO! Havoakako hiala amin’ny asa an-terivozona ampanaovin’ny Ejiptianina ianareo sy hoafahako amin’ny fanompoana azy; ka amin’ny heriko tsy hay tohaina sy amin’ny famaizana lehibe no hanavotako anareo.


Fa satria Andriamanitra Aho, dia notoneko ny fahatezerako ary ho fitandroako ny voninahitro, dia nandà tsy handringana anareo Aho.


Izy no nampandroso ny sandriny mamirapiratra teo ankavanan’i Mosesy, ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloan’ny vahoakany mba hananany laza mandrakizay.


tamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy. Tsy solotena na anjely no namonjy azy fa ny tenan’ny Tompo mihitsy. Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy, ka nivimbinany azy sy nitondrany azy nandritra ny androny rehetra fahiny.


Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola henon’ny olona na ren’ny sofiny na hitan’ny masony izay Andriamanitra hafa noho Ianao nahavita izany tamin’izay matoky Azy.


Naneho hery amam-pahefana Ianao raha nanao famantarana sy zava-mahagaga mampivarahontsana mba hamoahana ny Israelita vahoakanao hiala avy tany Ejipta.


Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo, saingy efa nanafaka anareo ilay TOMPO Andriamanitrareo; koa izany no anomezako anareo anio izao didy izao.


Fa aiza no misy firenena, na dia lehibe aza, manana andriamanitra akaiky azy, tahaka ny maha akaiky antsika ny TOMPO Andriamanitsika, Izay mamaly isaky ny antsoina?


I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.


Koa ny mpanjaka rehetra mbamin’ny taniny manontolo dia nalain’i Josoa tamin’ny famelezana indray mandeha ihany, satria ny TOMPO Andriamanitr’i Israely mihitsy no niady ho an’ny Israelita.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra