Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 17:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Ny Israely vahoakanao dia nataonao ho vahoakanao mandrakizay; ary Ianao kosa, TOMPO ô, no efa tonga Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Fa nofidinao ho olonao mandrakizay ny Israely olonao, ary Ianao, TOMPO ô, no efa tonga Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Ny Israely vahoakanao dia nataonao ho vahoakanao mandrakizay; ary Ianao kosa, TOMPO ô, no efa tonga Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Fa nataonao vahoakanao mandrakizay i Israely vahoakanao, ka Ianao Iaveh no tonga Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Fa ny Isiraely olonao nofidinao ho olonao mandrakizay, ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Fa ny Isiraely olonao nofidinao ho olonao mandrakizay, ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Fa nofidinao ho olonao mandrakizay ny Israely olonao, ary Ianao, TOMPO ô, no efa tonga Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 17:22
15 Rohy Ifampitohizana  

Hajoroko ny fanekempihavanako aminao mbamin’ny taranakao mandimby anao; ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay izany, ka dia ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.


Nampiorina mafy an’i Israely ho vahoakanao mandrakizay Ianao, TOMPO ô, sady efa tonga Andriamaniny.


Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao fa sitrany napetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely ianao; noho ny fitiavany mandrakizay an’i Israely manko no nanaovan’ny TOMPO anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.


Ary iza moa no firenena hafa eto ambonin’ny tany tahaka ny Israely vahoakanao, ka nandehananao Andriamanitra mba havotanao ho vahoakanao? Eny, nampalaza Anao ireo zava-mahagaga sy mahatahotra vitanao mba handroahanao ny firenena hafa tsy ho eo anatrehan’ny vahoakanao izay navotanao avy tany Ejipta.


Ankehitriny, ry TOMPO, ny fampanantenana nolazainao momba ahy sy ny taranako dia aoka ho tanteraka hatrany hatrany, ka ataovy araka izay efa nampanantenainao.


Ary hotsapaiko io ampahatelony io ka hodioviko toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy amin’ny afo. Koa hivavaka amiko izy, ary hamaly azy Aho. Dia hilaza aminy Aho hoe: ‹Ry vahoakako› ary izy hanao hoe: ‹Ny Tompo no Andriamanitray›. »


Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, vahoaka natao ho fananan’Andriamanitra, mba hitory ireo asa lehibe vitan’Andriamanitra Izay niantso anareo hiala tamin’ny haizina ho any amin’ny fahazavana mahagaga.


Fa tsy handao anareo ny TOMPO noho ny fitandroany ny voninahiny, satria efa sitrany ny nanao anareo ho vahoakany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra