Tsy hiala amin’i Jodà ny tehim-panjakana, tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehina fanapahana, mandra-piavin’i Silô: Izy no hotoavin’ny firenena.
Zakaria 14:9 - Baiboly Katolika Ary i Iaveh ho tonga mpanjaka amin’ny tany rehetra; ary amin’izany andro izany, dia ho tokana ihany i Iaveh, ary ny Anarany ho tokana ihany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary NY TOMPO dia ho Mpanjakan’ny tany rehetra; amin’izany andro izany NY TOMPO dia ho tokana, sady ho tokana ny anarany. DIEM PROTESTANTA Amin’izany andro izany ny Tompo dia hanjaka amin’ny tany manontolo. Izy irery ihany no Andriamanitra hivavahana, ary ny anarany irery no hoeken’ny olon-drehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izany andro izany ny Tompo dia hanjaka amin’ny tany manontolo. Izy irery ihany no Andriamanitra hivavahana, ary ny anarany irery no hoeken’ny olon-drehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jehovah ho Mpanjakan’ny tany rehetra; amin’izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany. Malagasy Bible Ary Jehovah ho Mpanjakan'ny tany rehetra; amin'izany andro izany dia iray no Jehovah, sady iray no anarany. La Bible en Malgache Ary NY TOMPO dia ho Mpanjakan’ny tany rehetra; amin’izany andro izany NY TOMPO dia ho tokana, sady ho tokana ny anarany. |
Tsy hiala amin’i Jodà ny tehim-panjakana, tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehina fanapahana, mandra-piavin’i Silô: Izy no hotoavin’ny firenena.
Aoka haharitra mandrakizay ny Anarany! Aoka hiely laza ny Anarany, raha mbola mihiratra koa ny masoandro! Aoka ho aminy no itadiavan’ny olona fanambinana! Aoka ny firenena rehetra hiantso Azy hoe: Sambatra!
Ho avy ny firenena rehetra nataonao, hiankohoka eo anatrehanao, Tompo, ka hanome voninahitra ny Anaranao.
Antsoy izy ireo; asaovy manatona izy; ary aoka hiara-misaina avokoa izy! Iza no efa nilaza izany zavatra izany hatramin’ny voalohany, sy manambara izany hatramin’ny ela? Tsy izaho Iaveh va? Ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho no Andriamanitra marina, ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
Fa ny vadinao dia ny Mpahary anao; I Iavehn’ny tafika no Anarany, ary ny Mpanavotra anao dia ilay Masin’i Israely, Andriamanitry ny tany rehetra no iantsoana azy.
Amin’ny androny, i Jodà hovonjena; i Israely handry feizay; ary izao no anarana hanononana azy: Iaveh-fahamarinantsika.
mba hananan’izy ireo izay sisa amin’i Edôma, mbamin’ny firenena rehetra niantsoana ny Anarako, - teny marin’i Iaveh, - izay manao izany zavatra izany.
Ka hisy Mpamonjy hiakatra ao an-tendrombohitra Siôna hitsara ny tendrombohitr’i Esao; ary ho an’i Iaveh ny Fanjakana.
Izy no ho fiadanana. Rehefa ho tonga eto amin’ny tanintsika ny Asirianina, ka hanitsaka ny lapantsika ny tongony, dia hanangana mpiandry ondry fito isika, hamely azy, sy mpifehy ny vahoaka valo,
Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr’i Iaveh, toy ny fandrakotry ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.
Fa amin’izany ny firenena homeko molotra madio hiantsoan’izy rehetra ny Anaran’i Iaveh sy hanompoany Azy amim-piraisan-kina.
Mifalia amin’ny hafaliana lehibe, ry zanaka vavin’i Siôna! Manaova feo firavoravoana, ry zanaka vavin’i Jerosalema. Fa indro ny Mpanjakanao avy ho atỳ aminao; marina izy sady arovan’Andriamanitra; manetry tena mitaingina ampondra dia ampondra tanora, zanak’ampondravavy.
Aoka ho voaozona ny mpanambaka izay manana ondralahy eo amin’ny andian’ondriny, ka manao voady, nefa biby farofy no ataony sorona amin’ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy i Iavehn’ny tafika; ary mahatahotra ny Anarako, any amin’ny firenena.
Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: «amintsika Andriamanitra.»
koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina;
Dia nitsoka ny trômpetra ny Anjely fahafito, ka nisy feo mahery avy any an-danitra nanao hoe: «Lasan’ny Tompontsika sy ilay Kristiny ny fanjakan’izao tontolo izao, ka hanjaka mandrakizay mandrakizay Izy.»
I Iaveh! ho torotoro ny fahavalony, any ambonin’ny lanitra no hikotrohany amin’ireny; hotsarain’i Iaveh ny vazantany rehetra. Homeny hery ny mpanjakany, ary hasandrany ny tandroky ny nohosorany.»